Fifandonana teo amin’ny mpianatra tany Maninday Toliara, afakomaly tolakandro. Nahatratra efatra ireo olona naratra. Mpianatra roa no niandohan’ny disadisa. Nitarika korontana teo amin’ny vondron’ny mpianatra avy amin’ny faritra Menabe sy Androy izany ary nitarika tamin’ny faharatrana. Nandray andraikitra mahakasika ny raharaha ny teo anivon’ny oniversite sy ny federasionin’ny mpianatra. Raim-pianakaviana […]
Mois : octobre 2025
Fifampikasohan’ny herinaratra : Trano enina may lasa lavenona
Nitrangana haintrano tany Mahavelokely, Fenoarivo Atsinanana, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. Nitranga tao amin’ny parcelle fahatelo teo akaikin’ny renirano Marokiso, Fenoarivo Atsinanana ny tranga. May kilan’ny afo nandritra izany, ny trano hazo maro sy trano vita amin’ny biriky miisa enina. May kila sy lasa lavenona niaraka […]
Mampiahiahy : Vehivavy hita faty teny amoron-dranomasina
Niosim-pasika ny faritry ny tarehin’ny vehivavy iray hita faty amoron-dranomasina, tao Anosindafaza, fokontany Analamalotra, kaominina ambanivohitra Antetezambaro, afakomaly hariva. Niala ny trano fonenany ny marain’ny andro alatsinainy lasa teo, ity vehivavy ity. Tsy niverina nody izy ny atoandro. Niandry azy ireo fianakaviany saingy tsy hita ny nanjavonan’ilay renim-pianakaviana. « Niala tao […]
Notakina 50 tapitrisa Ar : Ramatoa natao takalonaina avotry ny zandary
Avotry ny zandary avy any Mahajanga sy avy ao Ankazomborona ny renim-pianakaviana nataon’ny jiolahy takalonaina. Nokasain’ireo olon-dratsy natakalo vola mitentina 50 tapitrisa Ariary izy. Voasambotry ny zandary ny zoma lasa teo, ny sasany tamin’ireo jiolahy tompon’antoka amin’ny resaka fakana an-keriny ramatoa iray, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankazomborona Amboromalandy, distrikan’i Marovoay. […]




