Lalan’ny atody, mpamatsy atody manerana ny Nosy. Izay no tena hahafantarana sy mampalaza ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Noho izay indrindra no antony hisian’ny hetsika «Fetiben’ny atody», izay niditra tamin’ny andiany fahefatra, ny faran’ny heriandro lasa teo. Na teo aza ny toe-draharaham-pirenena nafana, nafana toy izany koa ny sehon’ny Mahaleo sy […]
Mois : octobre 2025
TARATRY ny KANTO
Nifamotoana ireo teratany malagasy monina any Paris, France, ny asabotsy teo. Nanatontosa ny «Takariva soatoavina malagasy» izy ireo. Izay nifandimbiasan’ny fampianarana ny fototry ny kabary malagasy am-panambadiana, narahin’ny fampisehoana nataon’i Justin Vali. Nampahafantarina nandritra izany ilay boky fianarana kabary malagasy, nosoratana amin’ny teny frantsay, notontosain’i Henriette Razanamalala sy i Dera […]
Marion : Tsy maintsy ahemotra ny seho
Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona! Niezaka ihany hitazona ny fampisehoana izay tokony hotontosaina ny 26 oktobra izao i Marion sy ry zareo avy ao amin’ny SR Event, saingy noho ny fihazakazahan’ny toe-draharaham-pirenena, tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izy ireo. «Somary vahotra ny lela hanambara eto ry zareo fa saingy misy ny […]
« Our Generation 2025 »: Lasan’ny Malagasy ny voalohany, tany Russie !
Pao-droa! Manaiky ny Malagasy izao tontolo izao, eo amin’ny tontolon’ny hira. Lasantsika indray ny voalohany teo amin’ny sokajy rehetra, nandritra ilay fifaninanan-kira « Our Generation 2025 ». Voalohany tamin’ny fifaninanana ankapobeny. Voalohany koa teo amin’ny fifidianan’ny mpankafy ny ekipa malagasy! Nibata ny amboara, tany Russie, i Brenda, Mandresy ary i […]
VAOVAO TAMBATRA
Nanao ny asany mahazatra ny mpivarotra, omaly maraina. Nikatona avokoa izy ireo nanomboka ny atoandro mandra-pahariva ny andro noho ny korontana. Toraka izany koa ny tsena, toy ny teny Anosibe sy Anosy Mahamasina. Nizotra toy ny mahazatra kosa ny fiainana andavanandro teny amin’ny manodidina ny Renivohitra. Nozaraina zana-trondro miisa 10 000 […]




