Mois : octobre 2025

FANTINA sy FINTINA

Havoaka ny fonja ireo gadra politika, araka ny didy noraisin’ny filoha Rajoelina Andry. Eo ny mpandraharaha, Rajaonah Mbola. Ireo mpanao gazety, Lôla Rasoamaharo sy i Fernand Cello. Ny depiote, Sylvestre Mahavitara sy ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, Djavo­jo­zara Jean Luc. Andrianandrianina Voahangy. Nofoa­nana ny sazy tamin’ny Raharaha Apollo 21: Philippe Marc François […]

Fanambaran’ny iraisam-pirenena: Mitaky fifampiresahana ny Saf-CNGO/Sadc

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Southern African Council of Non-Governmental Organisations « Saf-CNGO-Sadc ». Niantso ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc izy ireo eo anatrehan’ny fahasarotana ara-politika mitombo sy ny tsy fahatokisana amin’ny fitondrana, ary amin’ny maha filohan’ny Sadc an’i Madaga­sikara, amin’izao fotoana izao. Hanomboka haingana ny fampihavanana sy ny fifampiresahana, […]

Mila vonona

  Vita aloha izay ny dingana heverina fa mafimafy ho an’ny mpidina an-dalambe. Tapitra ny an-kitifitifitra sy ny fanenjika ary ny an-kiafinafina. Fotoana izao ho an’izay sahy: sahy hanolo-tena handray andraikitra tsy misy fitiavan-tena, sahy hanova tanteraka, sahy ahafoy fotoana, sns. Raha ny vinavinan’ny tanora Gen Z aloha, andrasana izay […]

Mifamahofaho ny raharaham-pirenena: Mitohy ny fakan-kevitry ny FFKM

Nitafa mivantana tamin’ny vahoaka malagasy indray ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, halina. Mifamahofaho ny raharaham-pirenena. Mitohy kosa ny fanomanan’ny FFKM ilay fikaonandoha itadiavam-bahaolana… Misoko mangina izy ireo na eo aza ny hiakan’ ireo eny an-kianja. Manohy hatrany ny fifampiresahana amin’ireo ankolafin-kery ny eo anivon’ny FFKM. Anisan’ireo efa noraisin’ ireo filoham-piangonana […]