Mois : octobre 2025

Am-bavam-pihaonana

  Rava ny firenena miady an-trano? Tsy misy resy, tsy misy mpandresy… Sanatria, samy potika an-toerana. Am-bavam-pihaonana? Mbola misy ny azo atao, fa tsy manary toky. Amin’izany, misy hatrany ny mampiaka-peo fa tsy misy fihaonana na fifampidinihana azo atao na mety ho tanteraka amin’izao, raha tsy misy ny fandriampahalemana sy […]

Fiadidiana ny Repoblika : “Ny fifampiresahana no vahaolana amin’ny krizy”

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fiantsoana fifampiresahana mba hamahana ny olana misy amin’izao fotoana izao. «Ny fiadidiana ny Re­poblika dia ma­nambara amin’ny vahoaka sy amin’ny vondrona iraisam-pirenena fa misy ny fikasana haka an-keriny ny fahefana amin’izao fotoana izao, eto amin’ny tanin’ny Repoblika, […]

TSELATRA

Olona roa naratra vokatry ny tifi-danitra nataon’ny Tafika eo anivon’ny Capsat, teny Soanierana, omaly. Renim-pianakaviana sendra nandalo ny iray tamin’ireo naratra ka nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Manaraka fitsaboana eny anivon’ny HJRA avokoa ireo naratra vokatry ny tifitra nahazo azy, nandritra ny hetsika ny Gen Z, ny sabotsy lasa teo. Anisan’izany, […]

Fanafihan-jiolahy : Olona roa maty, roa naratra mafy

Nanjakan’ny dahalo tanteraka tao amin’ny tanànakely iray “ex Collège” manamorona ny reniranon’Ivoloina, ao amin’ny fokontany Ivoloina ihany, distrikan’i Toamasina II. Raha ny angom-baovao tany an-toerana, misasakalina no niditra an-keriny trano fivarotana voalohany ny andian-jiolahy miisa folo mirongo basy poleta roa, raha antsy lava kosa ny ambiny. Vao tafasokatra ny varavaran’ireto […]

Famakiana ny Kianjan’ny 13 Mey: Miaramila iray sy sivily roa namoy ny ainy voatifitra

Miaramila kilasy faharoa, niasa tao amin’ny Capsat no maty, afakomaly. Voatifitra tamin’ny fifanjevoana teny amin’ny Toby Ratsimandrava izy. Nisy sivily roa lahy kosa lavo teny Ambohidahy. Niampy telo ny olona namoy ny ainy nandritra ny hetsika fidinana an-dalambe nataon’ny Gen Z sy ny vahoaka leo delestazy. Miaramila iray, miasa ao […]