Mois : octobre 2025

Fadintseranana : Nohadihadiana ny seranan-tsambo miisa 9

Paikady lehibe apetraky ny Fitantanana foibe ny Fa­dintseranana malagasy, ny fanavaozana ny fomba fiasa rehetra. Misy ny fiarahana miombon’antoka amin’ny Ban­ky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ny Bi­raon’ny Firenena mikambana ho an’ny asa manohana ny tetikasa (Unops) ary ny governemanta malagasy. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, toy […]

Mamita-tena

  Nahafinaritra sy nahavelombolo ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika fa tsy mila mpisolelaka sy mpanasoaso be fahatany ny tenany. Mazava ny filazany fa mahay maka lesona sy manitsy ny diany izy. Nampangainy rahateo fa noho ireny mpanolo-bato mafana, ankolaka, ireny no nahatonga ny olan’ny firenena ankehitriny. Mitady olona sahy sy afaka […]

Banky foiben’i Madagasikara: Mahatratra 3,2 miliara dolara ny tahiry vola vahiny

Ampy tsara ny tahirim-bola ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara. Marindrano ihany koa ny Ariary miohatra amin’ny vola vahiny, indrindra ny dolara, na somary latsa-danja kely aza miohatra amin’ny euro. Nanome tatitra ny zava-misy ankapobeny amin’ ny lafiny vola malagasy ny Banky foiben’i Madaga­sikara (BFM). Notsipihin’ny governora Andrianarivelo Aivo Handriatiana, fa […]

TSELATRA

Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ireo mpanao fihetsiketsehana miisa 28 voasambotry ny zandary teto Antananarivo. Naiditra vonjimaka am-ponja eny Tsiafahy ny dimy amin’izy ireo. Antony hanenjehana azy ireo ny filazana fa nandray anjara tamin’ny fandrobana. Raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika ny enina tamin’izy ireo. Arahi-maso eo ambanin’ny […]

Hala-jaza tao Ihosy : Hita faty i Saka, avotra ilay varira

Hita faty iray volana taorian’ny nitondran’ny olon-dratsy azy i Saka, zazalahy 16 taona, very tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina ambanivohitra Satrokala, dis­trikan’Ihosy. Zaza roa lahy niaraka nanjavona tao amin’io tanàna io, ny alatsinainy 14 septambra lasa teo. Nanaraka an’i Saka, izay mpianatry ny CEG ny zazalahy varira iray fito taona, […]