Mois : octobre 2025

Radiothérapie: Manampy ny chimiothérapie sy ny fandidiana homamiadana

Mitondra fanazavana mahakasika ny sampandraharahan’ny radiothérapie, ao amin’ny CHU HJRA ny Dr Razanadahy Tahina, oncologue, radiothérapeute. Fitsaboana ny aretina homamiadana amin’ny alalan’ny taratra ny ra­diothérapie, araka ny fanazavana nentin’ny Dr Razana­dahy Tahina. Tsy ny vatana iray manontolo no tarafina fa ny faritra misy ny homamiadana ihany. Ny 70% ny taham-pahavoazana […]

Mgr Andriantsoavina Jean Pascal: « Mijoroa ary sahia miteny ry tanora »

Maromaro ireo mpitondra fivavahana naneho hevitra. Anisan’izany koa ny Evekan’ Antsirabe, ny Mgr Andrian­tsoavina Jean Pascal. Tsotra sady fohy ny hafany. «Mijoroa ary sahia miteny ny tsy mety, indrindra ianareo tanora. Mandraisa andraikitra amin’ny zavatra tsara», hoy izy. Nam­barany fa tsy tokony hanambany ny hafa izany na inona fahaizana, anton’asa, […]

Fikaroham-bahaolana: Efa raikitra ny fakan-kevitry ny FFKM

Misoko mangina, tsy re tsaika. Tsy an-kiandriandry fa efa ao anatin’ny fikaroham-bahaolana manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny eo anivon’ny FFKM. Nanomboka ny fiando­han’ity herinandro ity ny fakan-kevitra nataon’izy ireo amin’ny hery velona samihafa eto amin’ny firenena. Nam­baran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana fa maromaro ireo efa norai­sin’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy […]

Fametrahana fitoniana: Niantso famotsoran-keloka ny filohan’ny Ceni

Nivahiny tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly. Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny raharaham-pirenena. Nambarany tamin’izany fa mbola manamafy ny antso efa nataony tany aloha ny tenany, ny amin’ny hanomezana famotsoran-keloka ho an’ireo olom-boafidy sy olon-tsotra voarohirohy tsy fidiny amin’ny raharaham-pitsarana. Ani­san’izany […]

Fitantanam-panjakana: Krizy politika na sosialy no ananganana governemanta iraisana

Eo amin’ny fitantanam-panjakana, tsy tongatonga ho azy ny hoe governemanta iraisana na fiahara-mitantana. Anisan’ny anton’izany, ohatra, ny tsy fananana maro an’isa eny anivon’ny parlemanta. Eo koa ny fisian’ny ady na krizy politika na toekarena na sosialy. Izay tsara ho fantatra… Mifanohitra amin’ny go­vernemanta mitovy fisainana avy amin’ny fironana iray ny […]