Niverina an-tsehatra i Hantatiana. Hafaliana ny an’ireo mpankafy azy, satria dia nandray anjara tamin’ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny FPM Vatofehizoro tany Paris izy, ny faran’ny herinandro teo. Niray sehatra tamin’ny Kerobima Ankatso Monde, God’Swing ary Mandresy izy, nandritra izany. Porofo io fa mandroso fahasalamana i Hantatiana, na dia mbola sahirankirana […]
Mois : octobre 2025
Fandriampahalemana : Hisy fifaninanana ara-javakanto ho an’ny tanora
Ny zon’olombelona no fototra tokony hananganana ny fandriampahalemana. Manodidina izany indrindra ny lohahevitra tiana hasongadina amin’ilay fifaninanana ara-javakanto ho an’ireo tanora 18 hatramin’ny 30 taona. Tafiditra anatin’ny tetikasa « Rary Aro Mada » izy ity. Mety avokoa na asa soratra na « podcast » na kanto hafa maneho ny lohahevitra no halefan’ireo tanora hifaninana. […]
Tonton Pà: Hisy seho ho fanampiana azy
Mbola any France i Tonton Pà… Efa nanao fanambarana ny tarika Rebika, fa tojo tsy fahasalamana ka mitsabo tena no antony nijanonany sy tsy nanohizany ny fiarahana tamin’ny tarika taty an-tanindrazana. Fantatra kosa fa efa metimety, ary efa vonona ny hiaka-tsehatra ity mpanakanto ity. Hisy ny seho takariva izay iarahany […]
Madagasikara: Ny fototra mihitsy no mikorontana
Samy manana ny tantarany ny firenena tsirairay. Tsy navelan’ny vahiny hahalala ny azy ny Malagasy. Maro ny fiantraikan’io tranga io eo amin’ny fiarahamonina hatramin’izay ka mandraka ankehitriny. Fandaharam-pianarana, tsy mandeha amin’ny laoniny. Fahafantarana an’i Madagasikara, tsy mitombina araka ny tokony ho izy. Tantaran’ity Nosy ity sy ny mponina ao aminy, […]
TSELATRA
Mpitandro filaminana roa naratra vokatry ny tora-bato tany Toamasina, omaly, nandritra ny hetsiky ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Barikadimy. Mpianatra roa hafa koa naratra vokatry ny fipoahana baomba mandatsa-dranomaso. Mpianatra dimy hafa voasambotra. Nikasa hivoaka ny faritry ny Oniversite ireo mpianatra, afakomaly, nefa tsy nahazo alalana hatrany. Nitrangana halatra omby […]




