Mois : octobre 2025

Badminton – “Mada 2025” : Hifaninana ny Senior

Araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Badminton, hotanterahina ny 11 sy 12, hitohy ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny hetsika. Ligim-paritra telo dia Analamanga, Vakinankaratra ary Atsinanana no hiady ho lohany amin’ity. […]

Baolina kitra : Hanazatra ny Young Africans Tanzanie ny Coach Rôrô

Toy ireo mpilalaon’ny Barea Chan milaravinahitra any ivelany, handeha hikopak’elatra ihany koa ny Coach Rôrô. Hanazatra ny Young Africans Sports Club an’i Tanizanie ny lehilahy. Famaraparanana ny pitsopitsony eo aminy sy ny Federasionina malagasy (FMF) ary ny Yas Madagasikara sisa dia hanainga izy. Tsy honohono fa tena izy. Nambaran-dRakoton­drabe Romuald […]

Governemanta vaovao: Tokony hisokatra amin’ny rehetra

“Tokony hisokatra amin’ny rehetra ny governemanta. Heverina fa rariny izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar tao Ambatofinandrahana, Razafindrabary Narson Seth Jean Richard, ny amin’ny fananganana governemanta vaovao amin’izao. Misy fanehoan-kevitra maro mila henoina izay antony mahatonga ny olona manao fitakiana. Maro ny manao fitakiana fa tsy […]

Ravatomanga Maminiana : Tsy miombon-kevitra amin’ny fanonganam-panjakana

Nivoaka amin’ny fahanginany manoloana ny resabe momba azy ny filoha tale jeneraly (PDG) ny vondrona orinasa Sodiat, Ravatomanga Maminiaina, omaly. Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny raharaham-pirenena. Nambarany fa miray fo amin’ireo mpandraharaha, namany, voaroba ny tenany. Efa nisy ny valin-tenin’ny filoha Rajoelina Andry manoloana ireo fitakiana samihafa. « Tsy […]

Seranan-tsambo: Efa antitra ny fotodrafitrasa maro

Madagasikara, Nosy lehibe aty amin’ny ra­nomasimbe India­nina, anisan’ny manana seranan-tsambo maro­maro manodidina azy, antoky ny toekarena. Seranan-tsam­bo lehibe indrindra ny ao Toamasina, hifanakalozana ara-barotra hatrany amin’ny 80%, falehan’ireo sambo vahiny eto an-toerana. Faharoa lehibe ny any Taolagnaro, Ehoala, vao tamin’ny 2009. Ny any Antsi­ranana, Mahajanga, Toliara, sokajiana ho seranan-tsambo fanampiny. […]