Tao amin’ny rindrin’ny tambajotra sosialin’ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazana eto Analamanga (Dren) no nanamafy ny fanambarana fa mbola miato aloha ny fampianarana amin’ny sekoly ambaratonga voalohany sy garabola, nanomboka omaly ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano ary ny Cisco Ambohidratrimo. Mahatsiaro ho ankilabao hatrany ireo olona manana fahasembanana manoloana ny […]
Mois : octobre 2025
Onivesiten’i Fianarantsoa : Nanaiky fandaminana ny mpianatra
Taorian’ny korontana nitranga ny sabotsy teo, tany Fianarantsoa, nifanatona nivory, ny alahady, ny tomponandraikitra. Nahitana ny governoran’ny faritra Matsiatra Ambony, ny préfet ao Fianarantsoa, ny ben’ny Tanàn’ny kaominina ambonivohitra Fianarantsoa, ny procureur, ny filohan’ny Oniversite, sy ireo sojabe ary ireo ary ny mpianatra eny amin’ny Oniversite izany, hoy ny fanazavan’ny […]
Mandritra ity herinandro ity : Nianatra tapak’andro ny ambaratonga faharoa
Taorian’ny fandaminana napetraky ny tomponandraikitry ny Dren Analamanga, miato ny fampianarana ho an’ny préscolaire sy ny ambaratonga voalohany, nanaraka ny toromarika avokoa ny sekoly rehetra. Ireo ambaratonga faharoa kosa nanohy ny fianarana fa mirava amin’ny 11 ora ka tsy miverina intsony ny tapany hariva. Io aloha no lamina vaovao ho […]
Mpiasan’ny fahasalamana: Manameloka ny herisetra atao eny amin’ny tobim-pahasalamana
Miray feo ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanajana ny asany. Mitaky ny fahatsiarovan-tenan’ny mpitandro filaminana mba tsy hiverina intsony ny fihetsika mamohehitra toy ny niseho ny herinandro teo, izy ireo. Nanohina ny fon’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny marary ny zava-nitranga nisesy teny anivon’ny hopitaly nataon’ireo mpitandro filaminana, nandritra ny fanenjehana ireo […]
TARATRY ny KANTO
Nodimandry i Clément, mpikambana ao amin’ny tarika Fandrama. Mahay an’i Clément Manifatra Jean avokoa ireo mpanakanto, ary samy naneho ny alahelony raha naheno ny fahafatesany, omaly. Any Nosy Be ny razana, hoy i Fandrama. Mpihira aman-taonany tao aminy ity mpanakanto nodimandry ity, ary efa nitety an’i Madagasikara sy firenena maro. […]




