Mois : octobre 2025

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana, fa tsy fahavalon’ny mpitandro filaminana ny vahoaka. « Hitondra ny hetahetam-bahoaka izahay matoa nofidian’izy ireo. Atsaharo ny herisetra ary aza manavakavaka hanaovana herisetra. Sokafy ny fahafahana miteny sy maneho hevitra ahafahana mifampiresaka », hoy izy. Naneho ny heviny ny mpanakanto Bodo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Nambarany […]

Tsy mikitrana irery! 

  Nahazo Praiminisitra iny Ramalagasy. Nanamarika voalohany ny fiakarany kianja ny fanilihana mpanao gazety. Tsy mbola niherina akory ny andro amin’ny filazan’ny Filohan’ny Repoblika ny hisokafan’ny loharanom-baovao, ny mifanohitra amin’izany no nataon’i Mahazoarivo. Voatosi-bohon-tanana ny mpitrandraka vaovao, izay fanoitra ho amin’ny fahombiazana na tsia ny irak’ity ramiamila iray ity.  Tsy […]

Hamerina ny filaminam-bahoaka : Minisitra telo, voatendry halina

Ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana manomboka izao ny famerenana ny filaminam-bahoaka. Porofon’izany, 24 ora taorian’ny nanendrena ny Praiminisitra, tafapetraka ireo minisitra lehiben’ny tafika, ny zandary ary ny polisy. Sambany vehivavy no miandraikitra ity farany. Voatendry ho minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Rakotoarivelo Deramasinjaka Manantsoa. Andiany faha-18 tao amin’ny Acmil. Efa niofana tamin’ny […]

Fihezama : Mitaiza ny tanora amin’ny fanatanjahantena

Nitondra fanazavana ma­ha­kasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Nohamafisin’ny filohany, Ra­ko­tovao Jacky Raymond, fa mitaiza sy manabe ny zatovo sy tanora malagasy amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ity fikambanana ity. Tsy manao politika sy tsy miandany na amin’iza na iza […]

SOMBIM-BAOVAO

Tanterahina any Lima, Pérou, nanomboka ny 5 oktobra teo, ary haharitra hatramin’ny 8 oktobra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany taranja Judo, ho an’ny sokajy Juniors. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena, dia i Nathanael Cressonnier, sokajy latsaky ny 81 kg. Judokas afrikanina 19, avy amin’ny firenena […]