Mois : octobre 2025

Toby Ambohimanambola: Taterina ireo milina mpihary herinaratra avy any Toamasina

Mandeha ny fitaterana ireo milina mamokatra herinaratra ho an’ny toby vaovao eny Ambohimanambola. Haharitra fotoana maro ny fandaminana hitaterana azy ireo. Hanomboka anio ny fitaterana manokana, mi­ainga avy any Toa­masina, mankaty Antanana­rivo, ny milina mpamokatra herinaratra hapetraka eny Ambohimanambola, ao anatin’ny tetikasa 105 MW. Haha­ritra telo andro ny fitaterana amin’ity […]

Mpaninjara solika: Nihena hatrany amin’ny 80% ny mpanjifa

Miantraika mivantana any amin’ny fanjifana ny krizy misy eto amin’ny firenena. Voalo­hany amin’izany ny varotra solika, na dia latsaka ambany aza ny vidiny. Vitsy ny mpividy solika, satria mihena ny fivezivezena amin’izao toe-draharaha misy eto amintsika izao. Ho an’ny toby mpaninjara solika etsy Antanimena, notsorin’ny mpitantana, fa midina hatrany amin’ny […]

TSELATRA

Cocktail Molotov maromaro tra-tehaky ny zandary tao Barikadimy, omaly. Manoloana ny hetsika ataon’ireo tanora Gen Z ao an-toerana, manao fisafoana hatrany anelakela-trano ny mpitandro filaminana. Nogiazana ireo fitaovana tratra ireo. Voafaokan’ny fiara tampoka ny zandary roa nanao sakana teny Ambohibao, ny alin’ny alahady 5 septambra lasa teo, tamin’ny 9 ora. […]

Halatra omby : Dahalo 3 voasambotra

Tratra afakomaly ny telo tamin’ireo dahalo nanafika niharo vono olona 12 tany Ampamata, distrikan’Antanimora Sud, ny alatsinainy 29 septambra lasa teo. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny ben’ny Tanàna any an-toerana, ahenoana fa mpanao politika no ao ambadiky ny halatra. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana any an-toerana ireo dahalo voasambotra […]