Mois : octobre 2025

Infirmiera sy rasazy mpiasam-panjakana : Saro-pady ny asa fitsaboana sy fanajana ny tandrohasina

Na eo aza ny savorovoro, mijoro manatanteraka ny asa fitsaboana izay andraikiny ny infirmiera sy ny rasazy mpiasam-panjakana. Manaja ny tandrohasina sy ny voady izay nataony amin’ny asa fitsaboana izy ireo. Nitondra fanazavana oma­ly ny sendika nasionalin’ny infirmiera sy ny mpampivelona miasa amin’ny sehatry ny fanjakana eto Madagasikara Nambaran’izy ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Tonga nampahery ny fianakaviana ary naneho ny fiaraha-miory noho ny fodiamandrin’ny depiote Rabenirina Jean Jacques, voafidy tany Betioky, ireo depiote sy ny birao maharitra. Nentina teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny nofo mangatsiakany rehefa avy nentina tao amin’ny FLM Mahalavolona, natrehin’ireo mpanao politika mpanohitra. Anisan’ny nankasitraka ny filoha Rajoelina tamin’ny fanapahan-kevitra […]

KMF/Cnoe : « Ilaina hatsaraina ny rafitra rehetra»

Nanao fanambarana indray ny eo anivon’ny KMF/Cnoe manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fo­toana izao. Nametraka fitakiana izy ireo tamin’izany. Nambaran’ity fiarahamonim-pirenena ity fa heno matetika eny an-kianja sy hiakan’ireo mpitolona ny rafitra. «Mila hatsaraina mihitsy ny rafitra rehetra ary efa nodradradrain’ny KMF/Cnoe-Fana­beazana olom-pirenena hatrizay», hoy izy ireo, omaly. Nanterin’ny fanambarana fa […]

Teti-panorona

  Maty paika ny zava-drehetra, fa ny vahoaka no mora lalaovina? Asa mety ho marina sa ho diso izay fanontaniana mahakasika ny fivoaran’ny raharaha politika, ankehitriny, izay? Raha ny zava-nitranga, omaly, aloha dia misy trangan-javatra maromaro ilana fanadihadiana lalina. Toa misy sokajin-kery maromaro izany any anatin’ny mpidina an-dalambe sy ny […]

Minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina : « Miankina amin’ny tsirairay ny fandrosoana »

Nampita hafatra sy naneho fisaorana, taorian’ny nampitsaharana ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny minisitra teo aloha nisahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Mazava ny fanehoan-keviny tamin’izany. «Miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay hatrany ny fandrosoan’ny firenentsika», hoy izy. Nialoha izany, nitondra fampahatsiahivana vitsivitsy ny tenany ka nambarany […]