Mois : octobre 2025

INDRAY MIJERY

Nandray ny toerany amin’ny maha tale jeneraly misahana ny sekoly (DGES) eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena azy i Manolozato Clémentine Vola, omaly. Hanohy ny asa efa natomboka momba ny fitantanana ny sekoly ny tenany. Nandray ny foibem-pitondrany ihany koa Ranosy Eliane, amin’ny maha tale jeneraly eo anivon’ny ivontoerana nasionaly misahana ny […]

Vokatry ny baomba : Mitaraina ireo manana marary

Manoloana ny fihetsiketsehana ka andefasan’ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso, velon-taraina ireo manana marary, na any an-trano na any amin’ny hopitaly. Manaiki-maso, ma­nempotra, mampikohoka ary manafotra mihitsy aza ny herin’ny entona aterak’ilay baomba. Tsofin’ny rivotra ary tafiditra any amin’ny efitrano fitsaboana marary, any amin’ny hopitaly ilay entona ka tena tsy zakan’ny […]

Sendikan’ny fahasalamana : Tsy fialokalofan’ny mpanao ratsy

Navoitran’ireo solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana fa asa masina ny asa fitsaboana ary tanterahina am-pitiavana tanteraka ny adidy sy andraikitra. Mitambatra ao anatin’ireo mpiasan’ny fahasalamana na ny dokotera na ny paramédicaux na ny infirmiera na ny rasazy sy ny mpiasa anaty birao mampihodina ny ara-teknika sy ny fitantanan-draharaha. Mahakasika ny sendikà izay […]