Mois : octobre 2025

Fanafihan-jiolahy : Finday valo sy ordinatera voaroba

Jiolahy fito lahy niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, tao amin’ny fokontany Mangarano II, parcelle 11/47, kaominina Toamasina, ny alin’ny sabotsy 25 oktobra teo. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy, nosimbain’ireo olon-dratsy miisa fito lahy ny fanalahidin’ny vavahady, nanao mora ny nahatafidiran’izy ireo tao an-trano. Nanara-maso tany ivelan’ny trano ny namany. […]

Ankorondrano Andrefana : Trano maro kilan’ny afo

An-jatony ireo traboina etsy amin’ny fokontany Ankorondrano Andrefana taorian’ny haintrano, omaly. Niainga tao amin’ny tokantrano iray ny afo, araka ny fanadihadiana. Olona roa may ka voatery nentina teny anivon’ny mpitsabo taorian’ny haintrano teny An­ko­rondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, manamorona ny lalamby, ny marain’ny alahady 26 oktobra teo, tamin’ny 9 ora maraina. […]