Mois : octobre 2025

Tsipy kanetibe – «Mondiaux Juniors 2025»: Tompondaka teo amin’ny olon-droa, lahy sy vavy, i Madagasikara

Nanandratra avo ny voninahi-pirenena indray ny tsipy kanetibe nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zandriny, Juniors 2025. Nandrombaka ny medaly volamena ary voalohany teo amin’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, i Madagasikara. Nifarana omaly, tany Isla Cristina Espagne, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy […]

Resaka “Prize Money”: Manome 72 ora ny FMF ny Barea zokiny hamahafa ny olana

Vaky ny ady eo amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ireo Barea zokiny, Faneva Ima, Bolida, Abel Anicet, Voavy Paulin. Fe-potoana telo andro no omen’izy ireo ny rafitra federaly hanomezana ny ambin’ny vola. Nanao fanambarana mivantana tao amin’ny pejy facebook omaly, ireo mpilalao zokiny nandrafitra ny Barea, toa an-dry […]

Vita ny iraky ny Sadc : Andrasana ny fanapahan-kevitra

“Tsy mbola afa-manolotra ny tatitra feno ry zareo, fa mbola eo am-pamaranana an’izay. Maro ireo olona nihaonana. Mbola ao anatin’ny fandaminana sy fandrindra an’ireo vaovao voaangona ry zareo amin’izao.” Io ny fanazavan’ny sekretera jeneraliln’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Ratsimbazafy Eric, teny Iavoloha, afakomaly, ny amin’ny famaranan’ny iraky ny Sadc ny angom-baovao natao […]

Masoivoho britanika : “Manohana ny foto-kevitry ny filohan’ny Fanavaozana”

Nihaona tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny masoivoho britanika. Manohana ny foto-kevitry ny filohan’ny Fanavaozana izy, araka ny nambarany. “Ny fanjakana britanika dia manohana mafy ireo foto-kevitra roa lehibe izay nangatahin’ny filohan’ny Fanavaozana sy ny vahoaka malagasy: ny fifidianana malalaka sy ara-drariny, ary ny ady amin’ny kolikoly.” Io ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tafaverina an-tanindrazana rehefa avy nanao sesitany ny tenany tany Frantsa, i Fanirisoa Erinaivo. Nambarany fa mitohy ny fanadihadiana ny mpandraharaha, Ravatomanga Mamy, atsy Maorisy. « Miandry ny tohiny isika. Miafara amin’ny sazy izany raha meloka izy », hoy izy teo am-pahatongavana teny Ivato. Maro ireo olona nitsena azy teny an-toerana. Nidera ny […]