Nanao fanambarana ireo depiote lany tamin’ny vondrona Irmar, ahitana antoko sy fikambanana politika maro. Nisintaka niala izy ireo ary hanangana maro anisa vaovao. Nambaran’izy ireo teny Tsimbazaza, ny sabotsy teo, fa 80% ireo nametra-pialana tsy ho ao anatin’ny vondrona parlemantera Irmar intsony. Anisan’ny anton’izany ny fahatsapana ny tarainan’ny vahoaka sy […]
Mois : octobre 2025
Mahalala vahoaka
Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vahoaka no hoe tompon’ny fahefana, tompon’ny teny farany. Izy koa no antom-pisian’ny mpitondra, fa ho an’ny vahoaka izay ataony. Misy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandro mandavantaona. Ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa hatrany… Lanja miakatra! Mahalala izay mahazo ny vahoaka ve ny mpitondra? […]
Filoha teo aloha, Rajoelina Andry : Nidina teny amin’ny 13 mey mitaky ny fiverenany ny mpomba azy
Nanao hetsika tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny mpomba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ny sabotsy teo. Mitaky ny fiverenan’ity farany izy ireo. Nidina tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey, ny asabotsy teo, ireo mpomba sy mpanara-dia ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Nitarika izany ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala […]
TSELATRA
Roa lahy voasaringotra tamin’ny halatra omby teny Ambohimanarina voasambotry ny polisy, ny 24 oktobra lasa teo. Lasan’ny olon-dratsy ny omby tao an-toerana, ny 22 oktobra lasa teo. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana anivon’ny boriborintany fahenina ny tompon’omby lasibatra. Lehilahy nahatraran’ny polisim-pirenena nanao fisavana amin’ny alina zava-mahadomelina mahery vaika, tao […]
Very ny 1 tapitrisa Ar: Mpivarotra zava-pisotro voan’ny fandraikiraikena
Toy ireny voan’ny fandraikiraikena ireny ny mpivarotra zava-pisotro iray tany Mahamasina, fokontany Alakamisikely, Antsampanimahazo, kaominina Ampahimanga, faritra Itasy, omaly tamin’ny 3 ora maraina tany ho any. Nihaodihaody sy nivezivezy tamin’ny mpivarotra roa samihafa nandritra ny alim-pandihizana iray tany an-toerana, ny andian-jatovo miisa dimy. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola lafo rehetra […]




