Tsy mitsaha-mitombo sy mihatsara ny vokatra avy any ambanivohitra. Mitaraina anefa ny ankamaroan’ny tantsaha fa mitontongona ny vidiny amin’izao. Miroborobo ny vokatra lavanila sy jirofo eto Madagasikara, saingy mitontongana ny vidiny ankehitriny, noho ny fidinan’ny lanjan’ireo vokatra ireo eto amintsika. Mbola tsy nisy toy izao teto Madagasikara, hoy ny mpandraharaha […]
Mois : octobre 2025
VAOVAO TAMBATRA
Namoaka fanambarana nentina hamaliana ny orinasa Ravinala Airports indray ny Orinasa Adema, omaly. Misongadina amin’izany ny fitakiana tsy misy hatak’andro ny vola rehetra tokony ho azon’ ny Adema, nanomboka ny taona 2020. Ny fanafoanana ny resaka kolikoly. Miantso ny fitondram-panjakana ity orinasa ity mba hijery akaiky ny raharaha ankehitriny. Nandray […]
Tsena iraisam-pirenena : Mampiasa ny Galileo ny Madagascar Airlines
Misokatra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Madagascar Airlines. Nanambara ity orinasam-pitaterana ana habakabaka ity fa tafiditra ao amin’ny rafitra “Global Distribution System” (GDS) Galileo an’ny Travelport ny tolotra omeny ny mpanjifa. Fitaovana ampiasain’ny Agence de voyage maneran-tany amin’ny famandrihana sidina, trano fandraisam-bahiny, fiara hofaina ary tolotra fitsangantsanganana hafa ny Galileo. […]
Sendikan’ny Jirama : Mitaky ny fialan’ny Tale jeneraly
Araka ny vaovao niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, mikasa hanao fitokonana faobe, anio, etsy Ambohijatovo, ny eo anivon’ny orinasa Jirama. Ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama sasany no hitarika izany eny an-toerana. Mbola mipetraka ho votoatin’ny fitakian’izy ireo ny fanalana ny tale jeneralin’ity orinasa ity, i Ron Weiss, ary milaza izy ireo […]
Fampiasana ny Internet : Miantso ny hijerena ny sarany ny Artec
Manao antso avo hijeren’ireo orinasam-pifandraisan-davitra ny saran’ny fampiasana ny internet eto amintsika ny Artec. Velon-taraina mahakasika ny tolotra ny mpanjifa. Nandray andraikitra manoloana ny fitarainan’ny mpanjifa mahakasika ny saran’ny internet eto Madagasikara ny Autorité de régulation des technologies de communication (Artec). Araka izany, miantso ireo orinasam-pifandraisan-davitra hijery akaiky sy hanitsy […]




