Fanarenana goavana: Tsy mahay miteny malagasy ny tanora

Tsy honohono intsony fa tena zava-misy eny amin’ny fiarahamonina! Tsy mahay miteny malagasy ny tanora ankehitriny. Na ny feo aloaky ny vava, na ny hevitra tian’ny saina hampitaina, indrindra fa ny fomba hoenti-mandrindra ireo roa ireo… Tsy tafavoaka, tsy afa-maneho hevitra ny tanora ankehitriny.
Vao mainka misongadina be io tsy fahaizan’ny tanora ny teny malagasy io eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina. Tono­n­kira, tsy hay ny manonona azy. Tononkalo, tsy hay ny mamaky azy, sns. « Andria­manitra » nanjary « Andje­manints ». Ny feo tokony hilantolanto, nanjary feo an’orona sy mikentsokentsona, saro-pantarina.
… Endrika isehoan’ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ihany koa ny tsy fahaizana manazava hevitra. Maro ny tanora miaina amin’izao va­nim-­potoana izao no mananosarotra be raha te haneho hevitra. Satria, ilay fomba fandaharan-kevitra (na fanjohian-kevitra) fanaon’ny vahiny no mby ao an-tsaina voalohany. Iny no ezahina hamoahana ny tian-ko lazaina. Tsy mety ha­nehoan-kevitra manoloana ny Malagasy, anefa, izany.
Singa iray mandrafitra ny firenena ny teny. Raha tsy tafaverina amin’ny fahaizana ny teny malagasy ny Mala­gasy, ho vahiny eto amin’ny taniny izy. Hatramin’izao, anefa, mbola tsy mampiraika ny Malagasy io loza mitatao io!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: