Tsy honohono intsony fa tena zava-misy eny amin’ny fiarahamonina! Tsy mahay miteny malagasy ny tanora ankehitriny. Na ny feo aloaky ny vava, na ny hevitra tian’ny saina hampitaina, indrindra fa ny fomba hoenti-mandrindra ireo roa ireo… Tsy tafavoaka, tsy afa-maneho hevitra ny tanora ankehitriny.
Vao mainka misongadina be io tsy fahaizan’ny tanora ny teny malagasy io eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina. Tononkira, tsy hay ny manonona azy. Tononkalo, tsy hay ny mamaky azy, sns. « Andriamanitra » nanjary « Andjemanints ». Ny feo tokony hilantolanto, nanjary feo an’orona sy mikentsokentsona, saro-pantarina.
… Endrika isehoan’ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ihany koa ny tsy fahaizana manazava hevitra. Maro ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao no mananosarotra be raha te haneho hevitra. Satria, ilay fomba fandaharan-kevitra (na fanjohian-kevitra) fanaon’ny vahiny no mby ao an-tsaina voalohany. Iny no ezahina hamoahana ny tian-ko lazaina. Tsy mety hanehoan-kevitra manoloana ny Malagasy, anefa, izany.
Singa iray mandrafitra ny firenena ny teny. Raha tsy tafaverina amin’ny fahaizana ny teny malagasy ny Malagasy, ho vahiny eto amin’ny taniny izy. Hatramin’izao, anefa, mbola tsy mampiraika ny Malagasy io loza mitatao io!
HaRy Razafindrakoto




