Nanana ny fomba nanabeazany ny taranany ny Malagasy. Ireny no sahaza azy sy ny fiarahamonina ary ny lamina voajanahary niainany. Niova izany taty aoriana, satria, nisy ny very…
Nirindra fatratra ny fiainan’ny ankohonana, ny fianakaviana, ny fiarahamonina fahiny, satria, tsara taiza ny taranaka Malagasy. Nanan-kasina lehibe ny ray aman-dreny sy ny raiamandreny isan-tsehatra hany ka tsy sarotra tamin’ireo ny namindra sy nampita hafatra, fanabeazana, fitaizana, fomba sy fanao. Nizara ny fahalalana ny « fanahy no olona », sns. Nanampy betsaka azy ireo tamin’izany ny kolontsaina tahaka ny fitantarana angano sy arira, ny fanaovana ny ankifidy, ankamantatra, kabary…
Amin’izao vanim-potoana izao, very ny ankamaroan’ ireny fomba fanabeazana ireny. Maro ihany koa ireo endri-panabeazana tafiditra eto an-toerana izay niteraka fiovan’ny fototra. Nitarika fisalasalana sy fikorontanana eo amin’ireo lamina efa niainana tany ambadik’Imanareza (vanim-potoana tsy voarefin’ny taona gregorianina).
Tsy mahamenatra ny mianatra
Mitondra fiovana goavana be ny fanarahana ny fanabeazana sahaza ny tena. Tsy takona afenina, anefa, fa maro ny ray aman-dreny (na raiamandreny) tsy mahafantatra intsony ny momba azy. Antony iray mampikorontana ny fiarahamonina. Tsy mahamenatra ny mianatra. Mila miverina mianatra (mamaky boky, mikaroka tahirin-kevitra…) ny ray aman-dreny (raiamandreny).
… Rehefa mahay na mahita rirany amin’ny fomba nanabeazan’ny Malagasy ny taranany. Mampita sy mampihatra avy hatrany. Ny fanabeazana tsara fototra sy mifaka amin’ny maha izy ny tsirairay ihany no miteraka olom-banona. Ny ankoatra izay, ankosotra ihany ka tsy ahafahana mandroso na ho an’ny isam-batan’olona na ho an’ny fiarahamonina na ho an’ny firenena.
Tsy handroso na rahoviana na rahoviana i Madagasikara raha mbola beazina amin’ny teny, fomba, finoana, fisainana, sns, vahiny ny taranaka malagasy.
HaRy Razafindrakoto




