Mois : novembre 2025

Miandriandry manana entina

  Hanao ahoana ihany ny ho tohin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Fanavaozana na fanovana no hoe atao. Fanovana rafitra fa tsy fanovana olona; eny, na eo aza ny hoe: mila miova na ovaina aloha ny olona: izay miova no afa-kanova. Miova fomba fisaina sy fijery izany, fomba fiasa… Tsy maintsy atrehina izay. […]

Fanorenana iarahana amin’ny FFKM : Hatao amin’ny herintaona ny fikaonandoham-pirenena

Tsy ho tratra amin’ity taona ity. Andrasana ny andro hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena karakaraina sy tarihin’ny FFKM miaraka amin’ny fitondram-panjakana. Tafiditra amin’ny famahana olana sy fiatrehana ny fanorenana ifotony ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanatanterahana izany. Tom­banana ho any amin’ny telo volana voalohan’ny taona 2026 ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny loharanom-baovao. […]