Mois : novembre 2025

Fihaonan’ny filohan’ny oniversite : Novahana ireo olana maika, toy ny jiro sy rano

Fihaonana voalohany tamin’ny minisitra vaovao sy ireo filohan’ny oniversite no natao omaly, tetsy Fiadanana. Nijerena haingana ny vahaolana maika, toy ny jiro sy rano, izany. Niompana tamin’ny fandaminana ankapoben’ ny tontolon’ny fampianarana ambony ny fihaonan’ ireo filohan’ny oniversite sy ireo tale jeneralin’ny IST. Fihaonana voalohany niarahana tamin’ny minisitry ny Fa­mpianarana […]

TARATRY ny KANTO

Nate Tex, ao amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela tsy tazana an-tsehatra, saingy manohy foana ny mozikany i Nate Tex. Teo aloha ny fandraisany anjara tamin’ny hetsika nisy teto amin’ny firenena, amin’ny maha mpanakanto mahatsiaro ho manana andraikitra. Hihaona indray amin’ireo mpakafy azy, ary hizara ny mozikany ranofotsiny i Nate Tex […]

« Festival An’Tsary Doc Mada 2025 »: 3 andro ho an’ny horonantsary fanadihadiana

Mampahafantatra, manatsikafona, manasongadina ny horonantsary fanadihadiana. Ny fisokafana amin’izao tontolo izao indrindra no tanjon’ny hetsika « Festival An’Tsary Doc Mada 2025 ». Hetsika ho an’ny horonan­tsary fanadihadiana. Nahitam-pahombia­zana ireo andiany teo aloha, ka hotohizana ny « Festival An’Tsary Doc Mada ». Saika ho natao tamin’ny volana septambra teo izy ity, saingy voatery nahemotra, ka […]

Kolontsaina sy soatoavina: Nanjary tsy nifanaja ny Malagasy

Firenena nandalo ny vanim-potoan’ny fanjanahantany i Madagasikara. Nitondra fiovana maro teto izany, satria, tsy nitazam-potsiny ny Frantsay fa niezaka namafy ireo hevi-diso sy fomba fiady hamotehina ny fiarahamonina. Ny fantatra sy nalaza: “zarazarao hanjakana”. “Raha hanjanaka firenena iray, ianaro ny teniny, fantaro ny fombany sy ny tantarany, fa ho babontsika […]