Samy tompon-draharaha

Tsy fanovana no hoe atao amin’izao fa fanavaozana. Miainga amin’ny efa eo izany, manatsara ny efa misy. Na izany aza, ifotony ihany ny fanavaozana: fanadiovana, fandaminana, fanatsarana… Misy milaza, ohatra, fa raha fanadiovana, miainga avy any ambony; raha fanorenana, miala any ifotony. Tena vonona ho amin’izany ve? Indrindra ny mpanao politika… Ny mpanao politika no lazain’ny sasany ho fositra sy fototry ny krizy politika miverimberina: fahapotehan’ny firenena, fahantram-bahoaka. Na ny fomba fanaovana politika: ady tombontsoa, hafetsifetsena… Ny rafitra sy ny lalàna no antony? Izay no tsy maintsy havaozina, ovaina…
Mifanaraka amin’ny maha Malagasy ve, ohatra, izany? Ho amin’ny tombontsoam-pirenena, fanatsarana ny fiainam-bahoaka… Misy milaza koa, ohatra, fa raha tena fanavaozana, atao tsitsika na velirano ny fianianan’ny mpitondra: hanody amin’ny vady aman-janaka ny tsy mety atao, fa izay no tsaroan’ny aina ka hajaina. Foanana koa, ohatra, ny tombon-jo parlemantera tsy azo enjehina tsy hisian’ny tsimatimanota. Fitsarana tsotra no hitsarana ny tomponandraiki-panjakana, fa tsy hasarotina amin’ny politika misaringotra. Hatao koa ny politika fitsitsiana, ka ho arakaraka ny fahasahiranam-pirenena ny tombontsoan’ny mpitondra. Hatrehina koa ny fangaraharana ka lazaina izay atao ary atao izay lazaina.
Maro ny fanavaozana azo atao ho amin’ny fihatsarana. Santionany ireo… Sahy sy vonona amin’izany ve ny rehetra? Indrindra ny mpanao politika… Mba tsy ho endrika ivelany sy fombafomba fotsiny ny hoe fanavaozana. Aleo hifanatrehana? Hifandresen-dahatra, hifanarahana, hifanitsiana… Samy manana andraikitra sy tompon-draharaha ny mpiray tanindrazana. Anisan’ny fanavaozana izay? Eo amin’ny tsirairay…

R. Nd.

Partager sur: