Tetikasa Sahofika: mila 1,2 miliara dolara hananganana tohodrano

Efa novolavolaina tamin’ny taona 2014-2015 ny tetikasa fananganana tohodrano hamokatra herinaratra, manana tanjaka 300 MW. Efa vonona ny mpamatsy vola fa ny fanjakana malagasy sisa no andrasana.

Famokarana goavana in­drindra eto Madagasi­ka­ra rehefa tanteraka ny te­tikasa Sahofika. Any amin’ny faritra Vakinankara­tra sy Amo­ron’i Mania ny toerana hananganana ny tohodrano, mamokatra herinaratra hatrany amin’ny 300 MW. Noraisin’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Re­poblika, ny ko­lonely Randria­ni­rina Michaël, ny 12 desambra teo, ireo mpamatsy vola niaraka tamin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriam­parany Carl. Fanta­tra nandritra ny fanazavana fa efa tamin’ny taona 2014-2015 ny namolavolana azy. Tsy na­nom­boka anefa ny asa hatramin’izao noho ny antony maro samihafa. Afaka ma­mo­katra 192 MW ny ampahany voalohany ary azo ampi­tomboina tsikelikely izany.
Mitentina 1,2 miliara dolara ny tetibola ilaina amin’ny te­tikasa Sahofika, ka manana anjara betsaka amin’izany ny fanjakana malagasy. Efa vo­no­na kosa ny anjaran’ny mpamatsy vola, araka ny fanazavan’izy ireo tamin’ny Filoham-panjakana. Naneho ny fahavononany hiara-miasa ny filoha Randrianirina Michaël. Po­rofon’izany, natao ho anisan’
ireo tetikasa laharam-pahamehana amin’ny hananganana tohodrano (PHP) ny tetikasa Sahofika. Hisy dingana samihafa amin’ny fihaonana hamaritana ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola. Ara­ka ny nifanarahana, manana fe-potoana hatramin’ny 31 de­sambra 2025 ho avy izao ny fanjakana malagasy handaminana ny pitsompitsony ara-ta­ratasy rehetra mahakasika izany.
Hanampy an’i Volobe 2 sy Andekaleka
Araka izany, tena laharam-pahamehana, ho vahaolana maharitra hamahana ny delestazy, ny tetikasa Saho­fika. Famokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano lehibe ihany koa ny tetikasa Volobe 2 (CGHV) any Toamasina, ha­mokatra 120 MW. Efa mandeha ny fanomanana, toy ny fa­namboaran-dalana mankany amin’ny reniranon’i Volobe, mi­aloha ny fananganana ny tena fotodrafitrasam-pamokarana. Hanampy ny any Ande­kaleka ireo, mamokatra 120 MW ihany koa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: