Raim-pianakaviana iray, mpitondra taxi, hita faty nafatratry ny olon-dratsy tao anaty sinibe ary nalatsany tany anaty lavapiringa, ny 24 desambra teo, tetsy Alasora. Tsy niandry ela fa tratran’ny polisy, omaly, ny iray tamin’ireo olon-dratsy.
Voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP Alasora, teny Ambohimangakely Ikianja, fokontany Ambovokely, omaly, ny lehilahy iray 25 taona. Iray tamin’ireo olon-dratsy, nahavita namono ilay lehilahy mpitondra taxi hita faty tetsy Ambohimiadana Alasora, ny alin’ny 24 desambra lasa teo, izy io. Niaiky ny heloka vitany ity farany rehefa nentina natao fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy. Nanoro ny namany iray ihany koa izy, nandritra izany. Efa mikaroka io olon-dratsy iray io ny polisy amin’izao fotoana izao.
Nikaroka ny polisy taorian’ny famoahana filazana fikarohana io mpamily io, nanomboka ny 5 desambra 2025 lasa teo. Mbola hitan’ny olona nitondra taxi sy mpandeha roa teny Alasora izy, tamin’io fotoana iok saingy tsy hita intsony taorian’izay. Efa noravain’izy ireo ilay fiara karetsaka, namidiny tsikelikely ny kojakojana fiara sy ireo vy noravainy, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny polisim-pirenena.
Novonoina…
Raha tsiahivina, hita faty teny amin’ny fokontany Miadana, kaominina Alasora, ny alarobia 24 desambra teo, tamin’ny 9 ora alina, io lehilahy mpitondra taxi io. Nafatratr’ireo olon-dratsy tao anaty sinibe ary nalefa tao anaty lavapiringa avy eo. Nanamarina ny zava-nisy sy nizaha ny nofo mangatsiakan’io olona io ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. Voamarina fa ilay mpitondra taxi tsy hita nandritra ny 19 andro io hita faty io. Novonoin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny fomba miharo habibiana io raim-pianakaviana io. Tsy hita ny fiara izay heverina ho norobain’ireo tsy valahara. Tratra ny iray tamin’ireo nahavanon-doza, omaly. Niaiky heloka ary nitoroka ny namany izay niara-nanao ny asa ratsy taminy io lehilahy io. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisim-pirenena.
Niasa teny By Pass
Niasa teny By Pass izy ary nisy olona roa nilaza haka fitaovana fanamafisam-peo. Raikitra ny fifanarahana ka nentiny ireo olona roa ireo izy ny 5 desambra lasa teo. Nizotra nihazo an’Alasora ny fiara 205 izay nentin’io lehilahy io. Talanjona ireo namany nahatazana ny fiara, fotoana vitsy taorian’io, nentin’olon-kafa. “Miasa alina matetika io zaodahinay io ka tsy nody alina tamin’io fotoana io”,hoy ny havan’ilay mpamily taxi. Tsy nisy nanampo na inona na inona, araka izany, ny vady aman-janak’io lehilahy io. Nanomboka niahiahy ireto farany rehefa nahazo loharanom-baovao fa nentin’olona hafa ny fiara tamin’ny andro tsy nodian’io mpitondra taxi io. Nametraka fitarainana teny anivon’ny polisim-pirenena ny fianakavian’ireto farany.
Tsiferana R.




