Mipetraka tsikelikely amin’ny toerany ireo olona lazaina fa tompon’ny tolona. Misy ny mpamatsy vola, misy ny tompon-kevitra izay nisongona ireo milaza fa Gen Z. Mandeha tsara aloha ny fizaran-tseza sy fanovana olona. Ny fanovan-drafitra sisa andrasana. Lojika rahateo raha ny olona aloha no apetraka. Iza tokoa no hiandraikitra ny fanovan-drafitra hatrany ifotony.
Eto, tsy hay ny hangina mahita ny fihetsiketsehana diso tafahoatran’ny sasany. Manao befiavy kanefa toa mampiseho faharefoana. Soa ihany fa nametraka galifantsy sy manana traikefa manodidina azy ny henjana. Olona mitovy tadin-dokanga aminy sy afaka ny hiady mafy ho azy ihany koa. Iaraha-mahita fa mbola tsy tena marin-toerana tsara ny fitondrana. Ny ” forongony” etsy andanin’izay tsy manaiky lembenana hoe resy izany.
Mbola toe-javamisy iray, hilàna fitandremana ho an’ny mpitondra ny mahakasika ny mpitondra sasany teo aloha. Misy ny misoko miadana toa ron-gisa, misy ny mody mihenahena tsy ahitan-teny. Ny hafa miseho masoandro anaty saron-tava. Misy aza ny nomem-pahefana goavana sy stratejika mety handefona ivoho. Iaraha-mahalala rahateo fa tsy misy mpandimby na mpanao politika vaovao izany eto Madagasikara. Miandry ny anjarany anatin’ny fifampindimbiasana izy mianakavy.
Raha ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, mandroso tsikelikely sy manao ny fomba rehetra hahazoana faka ilay fitondrana. Mazava be ireny olona 140 latsaka kely tendrena anatin’ny filankevitry ny minisitra indray mandeha ireny. Efa mankany mankany amin’ny famikirana seza no dikan’izany. Izao aza efa tapitra ny roa volana, voalaza fa hanaovana tombana toa tsy mbola mamofompofona izany ny rivotra politika. Ny hita taratra aloha dia miverina ho mangamanga ny sary. Manomboka manjaka ny hery vaovao ary porofon’izany ilay disadisa tsikelikely amin’ny Tiako Madagasikara io.
Handrasana ny havoakan’ny taona vaovao fa ny azo lazaina na ny teo aloha na ny ankehitriny dia efa samy mikofokofoka aloha, manomana fifidianana.
r.r




