Fampisehoana an-tsehatra anisan’ny nahasarika mpijery maro tamin’ny faran’ny herinandro teo. Noporofoin’ny Reko fa tsara ny fiomanan-dry zareo. Omeny lanja ny mpijery.
«Izahay hanome ny tsara indrindra avy aty aminay ho anareo foana », hoy i Fy Rasolofoniaina, andro vitsy nialoha ny fampisehoana, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Omaly, io tokoa no niseho. Nanomboka tany am-boalohany ka hatrany amin’ny fiafaran’ny fampisehoana, tsapa sy heno ary hita fa miroso hatrany any amin’ny fanatsarana sy fanatevenana ny traikefa efa ao aminy ity tarika ankafizin’ny tanora maro ity. Fihetsika maneho fanomezan-danja sy hasina ny mpi jery sy ny mpitia ny sanganasan’ny tarika ary ny tontolon’ ny zavakanto iray manontolo.
Nihira, nanofahofa tanana, nilatsaka ny ranomasom-pifaliana… Samy tazana teny amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina avokoa ireo. Mifamatotra akaiky ny tarika Reko sy ny mpijery. Na ireo sanganasa efa nahafantarana ny tarika, na ireo sanganasa vaovao, samy nahitana io firaisana am-po eo amin’ny Reko sy ny mpankafy azy io.
Nandritra ity fampisehoana an-tsehatra notanterahin’ ny Reko, omaly, ity no nanehoan’ny mpijery ny hetahetany ny mba hanatontosan’ity tarika manana ny maha izy azy ity fampisehoana vitsivitsy amina sehatra lehibe tahaka izao, manomboka amin’ny taona vaovao ho avy io.
HaRy Razafindrakoto




