Black Sphère Awards : Voafantina hifaninana i Agrad

Maro ny dingana nolalovan’i Agrad teo amin’ny tontolon’ny kanto. Tsy eto an-toerana ihany fa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Iray amin’ireny ny fifaninanana « Afro Golden Hip-Hop Awards ».

Ankoatra ny fifaninanana “Afro Golden Hip-Hop Awards”, izay hifaninanan’ny Malagasy mpanakanto, i Agrad, fantatra ihany koa izao fa voafantina amin’ilay “Black Sphère Awards” ny tenany. Fantatra eto Afrika ny mozika entin’ i Agrad. Ny hirany izay mitondra hafatra mafonja hatrany, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitiavana. Ampian’ny fomba fiangaliany azy dia saika manaraka akaiky azy avokoa ireo tanora, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana an’i Afrika ihany koa. Araka izany, anisan’ireo hofidina ho “meilleur rappeur africain” i Agrad, amin’ilay fi­faninanana “Black Sphère Awards”. Amin’ny fiandohan’ny volana desambra no ha­naovana ny famaranana, saingy efa nanomboka ny 16 oktobra kosa ny fifidianana ao amin’ny tambajotra ofisialy, misy ny fifaninanana ary hifarana ny 27 novambra.

Fa iza moa i Agrad ?
Mpanjakan’ny Rap Gasy, io no fiantsoana an’i Agrad eo amin’ny tontolon’ny Rap. Andrianandraina Sitraka no tena anarany. Nanomboka ny taona 2006 izy no niseho an-tsehatra, saingy efa taona maro talohan’io no efa nanao Rap. Niaraka tamin’ny mpanakanto Skaiz ihany koa no tena nahafantarana azy, izay nitondra ny anarana hoe “Agrad sy Skaiz”. Namoaka ny hira “Ny foko iray” izy ireo, tamin’ny taona 2007. Efa ho 20 taona no teo amin’ny Hip-Hop i Agrad. Miavaka ny tononkirany, mampianatra, mitaiza tanora, miresaka fiainana andavanandro, fianakaviana ary fitiavana. Hira be mpankafy sy tena nahafantarana azy ny “Zanak’i Dadanay” (2024) laharana faha-4 tamin’ny hira nalaza teto Madagasikara, ny “Taratra”, “Tora-po”, “Intro”, “Kiasy”, sy ny maro hafa. Nandrombaka loka 5 i Agrad, teo amin’ny sokajy “rap”, ta­min’ny “RDJ Mozika Awards”. Ankehitriny, mifaninana eo amin’ny sehatra afrikanina ka izao voafantina handray anjara amin’ny “Afro Golden Hip-Hop Awards” sy ny “Black Sphère Awards” izao. Mian­drandra ny fanohanan’ny Malagasy i Agrad mba hifidy azy ka hahafahany mitondra avo ny Rap malagasy eto Afrika.

Mi.Raz

Partager sur: