Taona 1950 – 1970. Fotoana nampamirapiratra an’i Brigitte Bardot. Mpilalao sarimihetsika, mpandihy, mpilatro, mpihira… Samy nananan’ ity mpanakanto teratany frantsay ity avokoa ireo talenta ireo. Fantatra fa nodimandry, omaly alahady 28 desambra, tany Saint-Tropez Frantsa, teo amin’ny faha-91 taonany (teraka tamin’ny 28 septambra 1934) i Brigitte Bardot.
Raha ho an’ny hira, mahatratra 70 mahery ny hira nokaloiny. Ny tontolon’ny sarimihetsika kosa, anefa, no tena nahafantarana azy vokatr’ireo sarimihetsika nahatratra 45 isa nahitana fandraisany anjara. Saika mpilalao fototra hatrany i Brigitte Bardot tamin’ izany. Ho an’ny mpitia zavakanto any ivelany. I Brigitte Bardot no mpanakanto teratany frantsay malaza indrindra maneran-tany. Teo amin’ny faha-7 taonany, efa nisongadina tamin’ny fahaizany mandihy i « B.B. » na i « BB » tao amin’ny sekoly nianarany. Niato fotoana vitsy anefa io fianarany mandihy io noho
ny tsy fahasalamany. Taona 1947, nanohy ny fianarany mandihy tao amin’ny « Conservatoire Paris » indray izy.
Tany amin’ny taona 1973, nitsahatra kely tamin’ny maha mpanakanto azy izy ka nirotsaka tamin’ny fiarovana ny zon’ny biby. Mba hoentiny manatanteraka izany, natsangany ny « Fondation Brigitte Bardot ».
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




