Zava-dehibe

Tsy be resaka fa miasa. Izany izao governemanta izao? Efa ho tapitra ny roa volana. Izay ny fanamby. Mby aiza? Ny amin’izay hetaheta sy fitakian’ny vahoaka nahatongavana amin’izao dingana ho amin’ny fanavaozana izao. Eo, ohatra, ny amin’ny famatsian-jiro sy rano, ny tsy fisian’asa… Niitatra izany ka tonga amin’ny sehatry ny fampianarana, fahasalamana, fandriampahalemana, fanamboaran-dalana… Ny taotrano tsy efan’ny irery na vita indray andro. Vao mainka ny firenena… Mila na itakiana fanavaozana avokoa ny sehatra sy ny ambaratonga rehetra? Manomboka eo amin’ny tsirairay na ny tena aza… Amin’izao, raha vao misy zava-mitranga tsy araka izay iheverana azy, velona ny hoe: izao ve ny fanavaozana ? Samy mifanara-maso ny rehetra, sarotiny, mifanitsy…
Na ahoana na ahoana, tsy vitan-dresaka ny raharaha: tsy ifampiandrasana, tsy anaovana ampitso ampitso lava… Amin’izao, misy alaim-panahy hoe iandrasana fikaonandoham-pirenena avokoa itsy sy iroa. Eny, na izay tokony hahitsy na mety ho voahitsy eo no ho eo aza. Sanatria, zary lasa fanamarinan-tena sy fanilihana andraikitra ny fikaonandoham-pirenena. Toy ny hoe hisy fahagagana iny amin’izany. Nefa miankina amin’ny tena ihany. Sao manonofy am-pitoerana, na manao ariary zato am-pandriana… Ho diso fanantenana ambony ihany amin’izany ? Misy ny tsy azo tanterahina, ny miandry fotoana, ny miankina amin’ny tena… Mora ny manongana fa sarotra ny manangana, maro ny mitaky fa vitsy ny matoky amin’ny asa sy ny atao: manahy tena fa tsy manantena?
Ilaina ny fifampitokisana, fa takina koa ny fahatokisan-tena : izay matoky tena no azo atokisana. Antoka amin’ izany ny fifampidinihana, fifanarahana, fifanaraha-maso, fifanitsiana… Izay no maha zava-dehibe ny fikaonandoham-pirenena ? Anaovana andrimaso, andraisana anjara…
R. Nd.

Partager sur: