Nanao fanambarana sy nanome soso-kevitra aroso amin’ny fikaonandoham-pirenena ny Antenimieran’ny andriana merina (AAM) sy ny Antenimieran’ny oloben’i Madagasikara (AOM), ny herinandro lasa teo. “Tokony hapetraka eto Madagasikara ny rafi-pitondrana miainga amin’ny soatoavina sy ny fomba amam-panao maha Malagasy”, hoy Andrianjanaka Vahaniaina José, fitokaja eo anivon’ny AAM. “Tokony hofidiana amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ihany koa ny lalàmpanorenana ary hosoratana sy adika amin’ny teny malagasy ranoiray sy mazava izany”, hoy izy. Tsy hamadika pejy fa hanova boky tanteraka, raha ny fanazavana voaray. Tanjona ny hananana rafitra vaovao mifandraika amin’ny tantaran’ny firenena sy ny kolontsaina maha Malagasy. Ovaina fanjakana malagasy fa tsy repoblikan’i Madagasikara intsony ny laniera hananganana ny fanjakana malagasy satria ny maha Malagasy no fototra. Arindra ho vondrom-bahoaka manam-pahefana ny fanjakana. “Mendrika, hasina, fiandrianana, tanindrazana” no teny filamatry ny fanjakana, raha ny nambaran’izy ireo.
Aroso sy entina hodinihina amin’ny fikaonandoham-pirenena ireo hevitra tapaka ireo. Mba hahafahana manatanteraka fanovana sy fanavaozana kasaina hapetraka eto amin’ny firenena izy ireo. Marihina fa efa natao teto Madagasikara ny fikaonandoham-pirenena talohan’ny taona 2017.
Mino




