Mahajanga : 20 lahy nosam­borin’ny polisy

Mpanao sinto-mahery, fanendahana sy fandrobana mampiasa fitaovam-piadiana miisa 20 lahy nosamborin’ny polisy tao Mahajanga, nandritra ny faran’ny taona sy ny 1 janoary lasa teo. Nanao fisafoana alina sy nanamara-maso ny filaminan’ny tanàna ireo polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Central ao an-toerana. Nivezivezy tamin’ireo toerana hifamezivezen’ny mpiala sasatra sy mahavory olona maro ny polisy. Olona miisa dimy tratra nihazona antsy lavalela teny amin’ny Bord, araka ny tatitra voaray. Nitohy ny fisafoana ka dimy lahy hafa izay voasakajy ho mpikambana anatin’ny tamba­jotra mpanendaka sady mpandroba amin’ny alina nosamborina. Sarona teo am-ponaovana ny asa ratsiny kosa, ny dimy lahy hafa. Nandritra ny fankalazana ny taom-baovao, olona dimy hafa tratra nanao asa ratsy hatrany ka tafakatra 20 ireo nohazonina vonjimaika. Tanjon’ny polisim-pirenena ao an-toerana ny hisian’ny fandriam-pahelamana hatrany.

Tsiferana R.

Partager sur: