Mpangalatra bisikileta voasambotry ny polisy teny Anosizato, ny alin’ny alahady teo tamin’ny 8 ora. Mody nanontany ilay mpanao taxi-bisikileta izy kanjo nodarohan’ny tampoka. Nokasainy alaina ny fitaovam-pitanterana saingy voasambotra tsy lavitra izy.
Roa lahy mpamaky trano sady efa mpameri-keloka voasambotry ny polisy miasa ao Betafo, ny 2 janoary teo. Nahatrarana entana halatra izy roa lahy ireo. Nihaodihaody tao an-tanàna ka narahin’ny fokonolona maso ary nosamborin’ny polisy taorian’io.
Polisy sy miaramila iray samy namoy ny ainy taorian’ny fifandonana tamin’ny mpanao ratsy, ny faran’ny herinandro teo. Nifandona tamin’ny mpanao trafikan-drongony tao Ihosy ilay polisy raha toa ka lavo tany Toliara nandritra ny fifanandrinana tamin’ny dahalo, ilay tafika.
Ankizilahy iray niharan’ny fanendahana ka noratrain’mpanao ratsy ny tanany tao anatin’ny tunnel Ambohidahy, ny sabotsy 3 janoary lasa teo. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny finday teny amin’io lasibatra io.




