Tsy mbola milamina tanteraka sy azo antoka ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara? Indrindra ny tontolo politika… Manoloana izany, tohivakana ny iraka avy any ivelany tonga eto Madagasikara, raha ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny voaray omaly. Eo, ohatra, ny delegasionin’ny Firenena mikambana (ONU), notarihin’ny tale lefitry ny sampandraharahan’ny ONU misahana ny fanampiana amin’ny fifidianana, i Simon-Pierre Nanitelamio. Ao anatin’ny fanombohana ny fisahanana ny fanombanana ny filana fifidianana eto Madagasikara izy. Hatramin’ ny 14 febroary ny iraka tontosainy. Nanehoany ny fahavononan’ny ONU sy ny Pnud hanolo-tanana ho amin’ny fitondrana tsara tantana sy demokratika eto Madagasikara, ohatra, ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine, teny Anosy, tamin’ny fahatongavany afakomaly. Eo koa ny fanohanany ny dingan’ny fanavaozana ny firenena sy ny fandriampahalemana.
Nihaona tamin’ny lehiben’ ny diplaomasia malagasy teny Anosy, afakomaly, ihany koa ny iraka manokan’ny Vondrona afrikanina (UA), Mohamed Idriss Farah, izay manatanteraka iraka eto Madagasikara, hatramin’ny 2 febroary ho avy izao. Tanjon’ny diany ny hahafahafana manombana ny ezaka sy ny fandrosoana vita manoloana ireo asa laharam-pahamehan’ny Fanjakana. Zava-dehibe indrindra ho an’ ny UA ny hisian’ny fitoniana eto Madagasikara. Amin’ny maha firenena mpikambana mpanorina ny Vondrom-pirahalahiana afrikanina an’i Madagasikara ary maha zanak’i Afrika azy koa. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny Fihaonambe faha-39 an’ny UA amin’ny volana febroary ho avy izao ny diany.
R. Nd.




