Nisitraka ny tambin’ny hofan-trano, 200 000 Ar avy, ireo mpiasan’ny kaominina Antsohihy, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna, Vaney’s, afakomaly. Nohamafisiny koa fa voaloa ara-dalàna avokoa ny karaman’ireo mpiasa. Nampanantena ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, fa hamboarina ny tsena ao an-toerana.
Anisan’ny vahiny nanatrika ny 14 oktobra, tany Antsohihy, ny filohan’ny Antenimieran’i Tchad, Ali Kolotou. Misolo tena ny filohan’i Tchad, Mahamat Idriss Deby ny tenany amin’ny fanotronana ny lanonana fankalazana ny tsingerintaona nijoroan’ny Repoblika voalohany. Niara-dalana aminy ny filohan’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny.
Nahitsy ny filohan’ny RDS, Andrianirina Fetison, omaly. Tsy an’ny fitondrana, tsy an’ny mpanohitra na vondron’olona ny fanavaozana. « An’ny Malagasy rehetra izy io. Nateraky ny krizy lalina ny fanavaozana ary natao hanitsiana ireo lesoka teo amin’ny rafitra sy ny fomba fitantanana ka ilana ny hevitry ny rehetra », hoy izy.
Hihazo any Rosia ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny 28 sy 29 oktobra izao. Anisan’ireo voaasa hiatrika ny fihaonana an-tampony fahatelo eo amin’i Rosia sy Afrika ny tenany. Tsiahivina fa ny volana febroary teo no tany Moscou ny filoham-panjakana ary nihaona tamin’ny filoha Vladimir Poutine.





