FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola anisan’ireo noraisin’ny iraky ny SADC ny Vato, ahitana ny Gen Z, Gen Y, GMH, omaly. Nirohotra nankeny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izy ireo nitaky izany fihaonana izany sy niantsoantso miaraka amin’ny sorabaventy ny handravana ny Ante­nimie­ram­pirenena. Takin’izy ireo koa ny hanaovana ny tena fanavaozana, araka ny tolona.
Harovana ny asa fanaovan-gazety matihanina, manoloana ny firoboroboan’ireo olon-tsotra, mizara vaovao tsy fanta-pototra manenika ny Facebook, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa. « Betsaka vaovao tsy marina na vaovao tsy voamarina, eo koa ny firongatr’ireo milaza ho mpanao gazety », hoy izy.
Nivoaka amin’ny fahanginany ny tale jenera­lin’ny ACM, Rakotoarisoa Faniry Alban. Nambarany fa maro ireo tapaka sotro fihinanana. Tsy manaiky fa nisy tolona mankany amin’ny fanovana sy fanavaozana teto, araka ny nambarany. « Misy hatrany ny manohitra ny fanovana. Malalaka ny fanehoan-kevitra saingy aoka tsy handairan’ny tsaho », hoy izy.
Tsy ho kandidà filoham-pirenena ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, raha mbola eo ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Ran­drianirina Michaël, araka ny nambarany. « Betsaka ny vita ary maro no mbola hifantohana. Eo ny fitsinjaram-pahefana. Tanjona ny hanohana ny asa mahomby, mangarahara… », hoy izy.

Partager sur: