Niatrika ny fanolorana faneva ho an’ireo manamboninahitra jeneraly, teny Ivato, ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël. Nisy ny hafatrafatra sy toromarika nomeny ny Foloalindahy, tamin’izany.
Niantso ireo manamboninahitra jeneraly ny Filoham-panjakana tamin’ ny lahateniny mba hitodika bebe kokoa amin’ny vahoaka sy hitondra tamberin’andraikitra ho an’ny firenena.
Nohitsiny fa mitaky fitondran-tena tsy ahitana kihana ny fametrahana ny kintana eny an-tsoroka. « Tsy voninahitra lanjaina fotsiny izany fa manana anjara biriky amin’ny fanavaozana ho an’ny firenena ny Foloalindahy ka natao hitarika amin’ny fiarovana ny vahoaka ny jeneraly mba ho antoka amin’ny fampandrosoana », hoy izy.
Momba ny mety ho fanovana ny governemanta kosa, natsidiny fa mbola ao anatin’ ny tombana momba izany izy ireo amin’izao fotoana izao. « Mbola miasa mafy aloha isika izao », hoy izy raha nanontanian’ny mpanao gazety. Nanteriny koa fa nitsangana ho an’ny vahoaka ny tenany ka tsy maika ny amin’ny hahazoana ny galona jeneraly. Notsindriny fa efa nomen’ny vahoaka ny voninahitra faratampony ny tenany ka ampy azy izany. « Aleo ho an’ny miaramila iny laharam-boninahitra iny. Aleo hijanona ho kolonely ihany aho », hoy izy.
« Alakamisy mena… »
Notsiahiviny koa fa anisan’ny laharam-pahamehana ny famaliana ireo hetahetam-bahoaka teny an-kianja, araka ny efa voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana.
Momba ny fikasan’ny sasany hanao hetsika « Alakamisy mena » amin’ny volana febroary kosa, nambarany fa voakarama ireny. « Aleo hanandrana raha mahatarika olona », hoy izy.
Voninahitra faratampony no efa nomen’ny vahoaka ahy ka izay maha kolonely Michaël ahy izay no hahafantaran’izy ireo ahy. Novaliany koa ny feo miely fa voabaikon’ireo olona manodidina azy izy. Nambarany fa tsy misy olona mibaiko azy amin’ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra raisiny eto amin’ny firenena.
Synèse R.




