Tovolahy iray manodidina ny 30 taona hita faty tao Ambohipaly, kaominina Arivonimamo I, omaly folakandro tamin’ny 03 ora. Nahatsikaritra olona efa tsy nisy aina intsony sy nivalampatra tamin’ny tany ny olona sendra nandalo ka nampandre ny manodidina sy ny tomponandraikitra. Nampandrenesina mahakasika ny zava-misy ihany koa ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tsy niandry ela fa tonga haingana be teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana izy ireo, niaraka tamin’ny mpitsabo, taorian’izay. Tonga teny koa ny avy amin’ny fokontany sy ny kaominina. Fantatra fa mponina ao amin’ny fokontany Mangatany io olona hita faty io.
Mbola teny aminy daholo ny akanjo nanaovany tamin’ny fotoana nahitan’ireo manampahefana ny razana. Nifatotra sy taoriana avokoa ny tanany roa ary nitraka toy ireny nisy nanakenda ireny ny lohany. Tsy nahitana ratra goavana kosa ny vatany, nandritra izany. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ny raharaha.
Mino




