Manan-danja any amin’ireo faritra ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny fambolena sy ny fiompiana. Hampiroboroboana ireo sehatr’ireo, entina hanaingana indray ny toekarena.
Natao ny 22 sy 23 janoary teo, ny Dinika ho fanaingana ny toekarena tany Fianarantsoa, ho an’ny faritra Amoron’i Mania, Ihorombe, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany ary Matsiatra Ambony. Napetraky ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-pamokarana (Agri-business). Satria, matanjaka ny seha-pihariana mifototra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Eo ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Voly stratejika any an-toerana, ny voanjo, ny katsaka ary ny mangahazo. Manana ny lanjany ao amin’ireo faritra ireo ny rojom-pihariana vokatra fanondrana, toy ny dipoavatra, ny jirofo ary ny kafe. Ho an’ny fiompiana, hita any an-toerana ny omby fakana nofo, ny ronono, ny akoho amam-borona ary ny fiompiana sy fanodinana ny tantely.
Hatao mangarahara ny sehatry ny fandraharahana ara-pamokarana. Kendrena manokana ny rojom-pihariana fanondrana mampiavaka an’i Fianarantsoa. Koa, hampitomboana ny velaran-tany azo volena. Hamoraina ny fikarakarana ny taratasy fanondranana. Jerena manokana ny fahazoan’ny mpamokatra tamberim-bidy ara-drariny. Hapetraka mazava ny fanarahana ny lalàna mifehy ny fandraharahana.
Hamoahana tondrozotra
Anisan’ny nandrindra ny fanatanterahana ity dinika isam-paritany tany Fianarantsoa ity ny Fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny Minae. Havondrona ny angon-kevitra sy soso-kevitra voaray, haroso any amin’ny Dinika nasionaly, handrafetana ny tondrozotra, hanaingana ny toekarena amin’ny alalan’ny «Agri-business». Araka ny tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, kolonely Randrianirina Michaël, «tsy mila kabary lava isika, mila miasa, mila vokatra, mila fandrosoana hita maso».
Njaka Andriantefiarinesy




