Somary sadaikatra ihany hanao ny fifampizarana mahakasika ny fanaovana politika, ankehitriny. Mbola tsy nierina akory ny taona dia efa miseho sahady ny adin’ny samy goavana. Mahavariana ny don-tandroka amin’ny endriny samihafa. Baikoin’ny tombontsoan’ny tsirairay ka manadino ny tolona natao teny an-kianja, ho an’ny taninjanaka.
Asa! Efa voaongana tokoa ve ny teo aloha sy ny “forongony” dia samy amin’ny kajikajiny daholo. Tsy izany anefa no nifanarahana tamin’ny tolona, fa manangana rafitra vaovao. Andrasana ny ho fivoarany satria mbola roa taona no nifanarahana fa tetezamita, hoentina manomana ny fifidianana. Handrasana ihany koa ny fikarakarana izay ho fototra ijoroan’ny Repoblika vaovao.
Ny tiana hisintonana ny lakolosy, amin’ity andro anio ity, dia ny mba ho fifehezan’ny tsirairay tena amin’ny fitiavam-pahefana sy voninahitra diso tafahoatra. Tsy ampy telo volana akory dia efa miseholany sahady ny fifanilihana sy ny fifampihantsiana. Mbola tsy mikatona sy tsy manolatra akory ny fery dia efa misy mitady hamadika ho homamiadana sahady izany. Mitaky fiovana fomba fihavaozana ilay Madagasikara fa tsy mijanona ho fanoloana olona fotsiny. Ny fihavaozana anaty sy ny ara-panahin’ireto nomena andraikitra ireto no tena zava-dehibe. Sarotsarotra ny miady ho amin’izay noho ny fakam-panahy maro mibitsibitsika sy mandrangorango. Vola tsy toko tsy forohana tokoa no mivezivezy avy amin’ny “henjana”.
Mafimafy ho an’ny olona tonga tampoka tamin’ny toerana iray ny manohitra ny mena miraviravy. Tsy ariary na ariary roa no sera miainga fa ny tombontsoa tsy an-jaza no resaka. Izay no tsy maintsy hitandremana na sorohina mialoha ho an’ny mpanao politika tia tanindrazana.
r.r




