Mitetina 45,4 miliara Ar ny famatsiam-bola nomen’ny Vondrona eoropeanina (UE) ho an’ny fandaharanasa Padeir, nandritra ny dimy taona. Tao anatin’izay, miisa 170 ireo orinasa niofana momba ny fanondranana raha matihanina 74 nanatsara ny fahaiza-manaony. Mpisehatra 644 nandalina momba ny fenitra sy ny kalitao, laboratoara telo nahazo fitaovana ary iray nahazo fankatoavana. Vonona hanohana ny fihariana eto Madagasikara ny UE ho an’ny fanavaozana ny sehatry ny fanondranana.
Nisongadina ny fifampizarana traikefa, ny fanamafisana fahaiza-manao ary ny fanatanterahana ireo drafitra avy amin’ny fandaharanasa P3C. Nisongadina ireo nandritra ny seminera ho an’ny fampandrosona ny loharanon’olombelona, niarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny Jica Madagascar ho fanamafisana ny toekarena manga ho an’ny faritra Andrefan’ny Ranomasimbe indianina.
Mamolavola maodely fiantohana ara-toetr’andro mifanaraka amin’ny filan’ireo mpisehatra ara-toekarena ao Manambolo Tsiribihina, ny fiantohana Aro sy ny WWF Madagascar mba hitadiavana vahaolana azo hampiharina hanamafisana ny fahaizan’ny vondrom-piarahamonina miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hananàna rafitra fiarovana mora idirana, ny fahalalana bebe kokoa momba ny “assurance climatique” ho an’ireo mpisehatra rehetra ary ny fandraisana andraikitra kokoa avy amin’ny mponina eny ifotony.




