Novonoin’ny raim-pianakaviana iray ny zanany lahy vao valo taona monja. Notapahiny tamin’ny antsy ny tendany, notrobatrobarany ny tratrany. Namono tena tamin’ny poizim-boalavo ilay nahavanon-doza fa tsy maty.
Maty novonoin-drainy tamin’ny antsy ny zanany lahy vao 8 taona, tany Ambatolava, fokontany Ambatomahamanina, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’ Antananarivo Avaradrano, ny alarobia 28 janoary lasa teo. Nisaraka tamin’ny vadiny izy herinandro talohan’ilay tranga. Efa nanambana ny hamono ilay zaza nijanona niaraka taminy izy.
Nametraka bokin’omby sy taratasy fanaovam-beloma tamin’ny mpiray vodirindrina taminy izy tokony ho tamin’ny 10 ora alina, mialoha ny vono olona. Nambarany, tamin’izany, fa handeha izy mianaka, kanefa tsy nanambara ny toerana halehany. Tonga haka ny ombiny tany aminy, ny tompony, ny ampitso ka namantana trano nihidy.
Nampilazana ny zava-misy ny avy amin’ny fokontany, novakiana ny trano. Hatairana ny an’ny rehetra fa ilay zaza efa mihoson-dra teo ambony fandriana, tsy misy aina intsony, no hita. Nampandrenesina ny tranga ny zandary miasa ao amin’ny zanatobim-paritra Antanambao. Nidina ifotony nijery ny zava-misy izy ireo, niaraka tamin’ny mpitsabo. Nodidina tamin’ny antsy ny tendany ary nahitana tsatok’antsy roa teo amin’ny tratrany havia sy havanana, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo ny razana.
Voasambotra
Natao ny fikarohana ilay raim-pianakaviana ary voasambotra ny alakamisy 29 janoary izy. Niezaka namono tena tamin’ny fihinanana poizim-boalavo tamin’ny fotoana nahitan’ny fokonolona sy ny zandary azy. Notsaboina teny amin’ny hopitaly CHD Anosy Avaratra ny tenany, avotra soa aman-tsara. Taorian’izay, natao andrimaso any amin’ny biraon’ny zandary Antanambao amin’izao fotoana izao.
Marihina fa nisy olana ara-tokantrano ny ray aman-drenin’ilay zaza namoy ny ainy io, herinandro mialoha ny tranga. Nody tany amin’ny ray aman-dreniny, tany Ambatomahamanina ilay reny niaraka tamin’ny zanany iray. Nijanona niaraka tamin’ny dadany kosa ilay zokiny. Taloha ny nandehanan’ilay ramatoa anefa, nilaza fa hovonoin-dRangahy ny zaza mijanona ao aminy ary hamono tena izy aorian’izay. Tsy nanaiky izy raha tsy izao notanterahiny izao ny fikasan-dratsiny.
Mino




