Mois : janvier 2026

Tao anatin’ny 11 volana: Maherin’ny 6 t ny lohamenaka naondrana

Taom-pahombiazana ho an’ny sehatry ny fanondranana lohamenaka ny taona 2025 satria nampidi-bola hatrany amin’ny 452,3 miliara Ar tao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Vokatra 6 700 taonina no naondrana teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsara ny vokatra, tafakatra hatrany amin’ny 6 700 taonina ny lohamenaka naondran’i Madagasika­ra tao anatin’ny 11 volana voa­lohan’ ny taona […]

FANTINA sy FINTINA

“Aza dia mandany andro amin’ny resaky ny olona mpitady seza sy te hankalaza tena”. Io ny hafatry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Ma­tsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, ho an’ny Praimi­ni­sitra, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fisian’ ny fitakiana ny fandravana ny governemanta. Ry zareo so­lombavambahoaka no tena tokony […]

OJM : Maika ny fananganana rafitra vonjimaika

Nifarana tamin’ny taon-dasa ny fe-potoam-piasan’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) teo aloha. “Manoloana ny fahabangana eo anivon’ny OJM, nahita ireo fikambanana 18 fa maika ny hananganana rafitra vonjimaika na tetezamita ho an’ny mpanao gazety”, hoy ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’izay rafitra vonjimaikan’ny holafitra izay, ny mpanao gazety […]

Fitiavan-tanindrazana  

Nankalaza ny Andro natokana ho an’ny manamboninahitra ny Tafika Malagasy sy ny zandarimariam-pirenena, omaly. Andro manan-danja sy manan-tantara ho azy ireo izany satria niantombohan’ny fahasarotam-piaro fa Malagasy hiady sy ho faty ho an’i Madagasikara. Andro tsy maintsy nijoroana nanoherana ny tsy rariny sy ny tsindrihazolena. Manan-danja ny omaly, fa tsy […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Isika manamboninahitra izao no antenain’ny vahoaka”

Nankalazaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Andron’ny manamboninahitra eto Madagasikara. ”Antenain’ny vahoaka isika”, hoy ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra izany. “Isika manamboninahitra izao no mitondra. Isika manamboninahitra izao no antenain’ny vahoaka. Dia manantena ny firaisankina sy ny fiombonam-po ho antsika rehetra mba hahazoantsika miroso”. […]