Mois : janvier 2026

SOMBIM-BAOVAO

Nitsidika sy niarahaba noho ny fahatrarana ny taona ary nanolotra fanomezana an-dRandriama­nampisoa Alfred, filohan’ny FMF, ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara CFEM, notarihin’ny filoha, Rakotoarimanana Henintsoa, omaly, teny Isoraka. Tsy ny CFEM irery ihany fa teo ihany koa ny delegasionina avy amin’ny ligin’Analamanga. Notanterahina ny alahady lasa teo ny lalao […]

Basikety – “Ratafia” : Andrasana ao amin’ny Kianja mitafo Mahama­sina ny razana

Andrasana ao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ny vata-mangatsiakan-dRakotoarivelo Edmond na Ratafia, nodimandry ny alahady lasa teo. Ratafia, ilay andrarezina eo amin’ny taranja basikety ary tsy misy tsy mahalala azy eo amin’ity taranja ity. 96 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao rehefa tojo tsy fahasalamana naharitra. Angady nananana sy vy nahitana […]

Baolina kitra : Niorina ny USJF Ravinala vétérans

Hiverina eny an-kianja indray ny klioba USJF Ravinala, taranja baolina kitra. Tsy hifaninana hiady ny ho tompondakan’i Madagasikara intsony fa ireo mpilalao fahiny no hitaiza vatana ka nanangana ny sokajy zokiny “vétérans”. Ankoatra izay, hisehatra amin’ny lafiny sosialy izy ireo, hanampy ny mpiara-belona. Anisan’ny klioba nanamarika ny tantaran’ny baolina kitra […]

“All Africa Music Awards” : Misongadina any amin’ny iraisam-pirenena i Denise

Reharehan’ny Malagasy maneran-tany i Denise. Mbola mitohy ny fisongadinan’ity mpanakanto ity amin’ireo hetsika iraisam-pirenena rehetra handraisany anjara. Voafidy indray ho vehivavy mpanakanto mendrika indrindra aty Afrika Atsinanana izy. Mitohy ny lalana ho an’i Denise! Ity Malagasy mpanakanto manana feo miavaka ity no nandrombaka ny laharana voalohany tao amin’ny sokajy vehivavy […]

INDRAY MIJERY

Manatanteraka asa sosialy, izay imasoan’izy ireo amin’ity taona 2026 ity, ny FJKM. Samy manana ny toerana hanatanterahany izany ny Synodam-paritany rehetra. Fizarana sakafo mafana, fizaham-pahasalamana, fitiliana diabeta sy tosidra, ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, fizahana maso… no hatao amin’izany. Mety hisy ny fikorontanana any ambony tsy taka-maso amin’ny habaka ho an’ny […]