Mois : janvier 2026

Niharan’ny fanolanana : Zazavavy 5 taona maty teo no ho eo

Maty nandritra ny fanolanana nataon’ny tsy mataho-tody ny zazavavy vao dimy taona monja tao amin’ny kaominina Andranobolaha, distrikan’i Toamasina II, ny alin’ny alahady 11 janoary teo. Voa­sam­botry ny fokonolona teo am-panaovana ny filan-dratsiny ny lehilahy nahavanon-doza, afakomaly. Nentin’ity lehilahy ity nihazo ny toerana mangingina ilay zazavavy vao dimy taona, fantatra […]

Rotsakorana be loatra : Tafakatra 16 ireo namoy ny ainy

Tafakatra 16 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana be loatra teto amin’ny Nosy, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly atoandro. Voakasik’izany ny tao anatin’ny kaominina 14, disitrika 13, faritra miisa efatra. Olona dimy tamin’ireo maty nilatsaham-baratra tany Anjozorobe. Iray hafa maty nirodanan’ny trano tetsy Bemasoandro Itaosy, efatra nirodanan’ny […]

Manasa-dalan’ny Can 2025 : Nigeria sy Maroc, Senegal sy Egypte

Fantatra ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo firenena efatra tafita any amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, Can 2025, izay tontosaina any Maroc. Fifanandrinana azo heverina ho mafy avokoa izy ireo. Hifandona amin’ny Lion de L’Atlas Maroc, mpampiatrano, ny Super Eagles Nigeria. Raha tsiahivina, resin’i […]

Karate-Fampivondronana : Navitrika ireo atleta tamin’ny fanombohana

Nifarana omaly, teny amin’ny EFTA Ambatobe, ny fampivondronana voalohany ho an’ireo mpikatroka Karate-do manerana ny Nosy, sokajy Cadets, Juniors ary Seniors. Atleta 90 no tonga namaly ny fiantsoana ary tena navitrika tokoa, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefi­nanahary Émile. Fifankaha­fantarana, firaisan-kina sy fifampizarana traikefa no tena niompanan’ity […]