Mois : janvier 2026

Fandrobana an’i Zigle sy i Sedrick: Nametraka fitoriana ny klioban’ny Decines

Niharan’ny herisetra tany France, ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe, i Zigle sy i Yves Sedrick. Nisy nandroba ny fiara nitondra ny entan’izy ireo ny alakamisy alina ka very tamin’izany ny valizy nisy ny akanjo sy ny antontan-taratasy sarobidy, hipetrahan’izy mirahalahy any an-toerana. Niteraka resabe teto Ma­dagasikara sy tao anaty tambanjotran-tse­r­asera […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 6 700 taonina (t) ny lohamenaka naondran’i Madagasikara nandritra ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. Nampidi-bola hatrany amin’ny 452, 3 miliara Ar izany sady porofo fa manomboka miverina tsikelikely ny lanjan’ny lohamenaka malagasy. Ny volana avrily no tena betsaka ny vokatra naondrana izay nahatratra 1000 t sy nisanda 60,1 […]

Ady amin’ny fahatapahan-drano: Nahazo milina miisa 14 ny Jirama

Mijanona ho sakana amin’ ny famatsian-drano isan-tokantrano ny fahatapahan’ny herinaratra, antony indrindra nahatonga ny minisitry ny Rano, ny fanadiovvana ary ny fidiovana, Dr Razafindri­ani­aina Minosoa, nanolotra ireo milina famokarana herinaratra miisa 14 ho an’ny Jirama hiantohana ny famokarana rano fisotro madio. “Manomboka amin’ny 5kVA ka hatramin’ny 500 kVa ny tanjak’ireo […]

Vokatra hafarana : Hanokatra fanadiha­­diana ny ANMCC

Hanokatra fanadihadiana mahakasika ny fidiran’ireo entana avy any ivelany, izay mitobaka eny an-tsena sy heverina fa hanohintohina ny famokarana sy ny fifaninana ara-barotra eto an-toerana ny ” Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales” (ANMCC). Voakasika ao anatin’izany ireo fantsona vita amin’ny plastika, ireo akora fampiasa amin’ ny fanamboarana mofomamy […]

Fikaonandoham-pirenena ara-toekarena : Hifantoka amin’ny fampandro­soana ny sehatra tsy miankina

Hotanterahina ny 19 janoary ny fihaonambem-pirenena ho an’ny fanarenana ny toekarena. Handray anjara amin’ izany avokoa ny sehatra tsy miankina rehetra, fotoana iray hihainoana ny hetahetan’izy ireo ho fanarenana ny toekarena. Nisy, araka izany, ny fi­haonana stratejika teo amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indos­tria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina […]