Ho marihina ny faha-80 taonan’i Nalisoa Ravalitera. Hisy ny velakevitra manokana hotontosain’ny Faribolana Sandratra izay izy no anisan’ny nanangana azy, ny alarobia 14 Janoary izao. « Nalisoa Ravalitera : Tendrombohitra tsy ho saro-javona » ny lohahevitra hovelabelarin’i Mahefa voalohany. « Nalisoa Ravalitera sy Benaina : loharano roa samihafa mihaona » kosa no […]
Mois : janvier 2026
Fiara nivarina tany anaty rano : Olona 3 namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny digue, akaikin’ny Apipa Amboavahy, afakomaly alina. Fiara taxi iray no nivarina tao anaty rano, teny an-toerana, izay nitondra olona telo. Avy any amin’ny Art Malagasy hihazo an’Andranomena io fiara niharan-doza io. Namoy ny ainy nandritra izany, ny olona telo tao anatiny. Nahitana lehilahy […]
Tobim-pitsaboana Loterana Ambohibao : Nahazo fitaom-pitsaboana manara-penitra
Vaindohan-draharaha ny tobim-pitsaboana Loterana Ambohibao (TPLA) ny hanatsarana hatrany ny fitsaboana sy ny fanasitranana ny marary. Ankehitriny, nahazo ny fitaovana vaovao “radiographie numérique et audiométrie” manara-penitra ny TPLA hanamafisana ny tolotra ataony. Marihina fa nandritra ny fankalazana ny faha-40 taona ny tobim-pitsaboana no efa nahazo efitrano vaovao fanaovana “échographie” ny […]
Aretina Mpox : Am-perinasa ny COUSP ao Vakinankaratra
Nahitana tranga nendran-drajako Mpox iray ao Vakinankaratra, olona roa hafa koa ahina ho tratran’izany. Manamafy ny ezaka rehetra amin’ ny tsy hiparitahan’ity valanaretina ity ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo tomponandraikim-panjakana ao an-toerana sy ny fanjakana foibe. Nisy ny fivoriana natao ny fiandohan’ ny herinandro teo nametrahana rafitra ho fisorohana ny […]
INDRAY MIJERY
Mampiakatra hery fiarovana hisorohana ny aretina samihafa ny fihinanana voankazo karazany maromaro isan’andro. Tena lafo anefa ny vidin’ny voankazo amin’izao fotoana izao eny an-tsena. 5 000 Ar ny paiso sy ny poara iray kilao, 4 000 Ar ny letisia, 5 000 Ar ny pastèque iray. Toy izany koa ny melon iray, arakaraka ny […]




