Mois : janvier 2026

Toetr’andro: Hapetraka ny fitaovam-pandrefesana

Tanterahina ny 6 ka hatramin’ny 11 janoary izao ny fitsirihana ifotony ny toerana hametrahana ireo fitaovam-pandrefesana ny toetry ny ranomasina sy ny toetry ny habaka. Voa­kasik’izany ny seranan-tsambon’i Mahajanga, Toliara ary Mananjary. Sambany izao vao hanana izany fahafahana mahazo ny antontan-kevitra mahakasika ny toetry ny ranomasina izany ny foibe famantarana […]

Eny amin’ny hopitaly : Tsy hikarakara ireo mararin’ny Mpox ny interne

Tsy manana fitaovana fiarovan-tena amin’ny valanaretina izahay. Mianto-tena raha ifindran’ilay aretina…Noho izany tsy handray ireo mararin’ny Mpox sy valanaretina rehetra izahay, hoy ny interne. Nanao fanambarana ny Union des internes de Madagascar miaraka amin’ireo interne manerana ny Nosy fa tsy handray an-tanana ny tranga voamarina sy ny tranga ahiahiana amin’ […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy raikitra rahampitso, ny lalaon’ny As Fana­lamanga sy ny Ajesaia, izay tokony hatao any Amba­tondrazaka. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasi­kara, PFL. Lalao telo, araka izany, no handeha amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanafika ny TGBC Atsinanana atsy Toamasina, ny Cosfa Miaramila, tompondaka lefitrin’ny PFL farany […]

Fitantanana ny taranja Handball : Fantatra anio ny filoha hitantana ny Federasionina

“Iza amin’izy efatra”? Ho fantatra anio, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahama­sina, ny anaran’ny filoha vaovao hitantana ny Federa­sionina malagasin’ny Hand­ball (FMH). Hatao androany eny an-toerana mantsy ny fifidianana izay ho lehibe hitondra izany indray mandritra ny efa-taona manaraka eo. Miisa efatra ireo kandida nirotsaka hifanintsana amin’ izany. […]

MPC: Hatao ny 23 janoary izao ny fifidianana

Tapitra tanteraka ny fe-potoana hitantanan’ny filohan’ny “Madagascar Paralympic Committee” (mpc). Efa fantatra ny daty hanatanterahana ny fifidianana, izay hitantana ho an’ny efa-taona manaraka. Hotanterahina ny 23 janoary, eny amin’ ny M Hotel Ampefiloha izany, araka ny fandaharam-potoana. Ligy 13 amin’ireo 15 misy no manana ny fahazoan-dalana hifidy hatreto ary efa […]