Lehilahy 50 taona hita faty tetsy amin’ny arabe akaikin’ny mpivarotra voninkazo, ampitan’ny hopitaly HJRA, omaly maraina. «Efa narary andro vitsivitsy lasa izy io, ary nanomboka nanary aina ny alina ary izao maty izao », hoy ny vadiny. Mpatory an-dalana izy ireo. Jiolahy miisa roa voasambotry ny polisy tany Anketa Toliara, ny […]
Mois : janvier 2026
Vono olona feno habibiana : Raim-pianakaviana hita faty teny an-tanimbary
Hita faty teny an-tanimbary, tao Bekitrobaka, Antsohihy, ny raim-pianakaviana (tale misahana ny fizahantany, faritra Sofia teo aloha), afakomaly, tamin’ny 9 ora alina. Niala tao an-tranony hoany amin’ny tanimbariny izy, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Tsy mbola tonga tao an-trano anefa izy na dia efa hariva aza ny andro ka […]
Fanaovana taratasy hosoka: Teratany vahiny tra-tehaka tetsy Ilanivato
Tra-tehaky ny polisim-pirenena tetsy Ilanivato, ny alarobia 28 janoary 2026 lasa teo, ny lehilahy iray, teratany vahiny, voarohirohy tamin’ny resaka halatra sy fanaovana taratasy hosoka. Nahazo fitarainana maro avy amin’ny olon-tsotra ny polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato. Tsy niandry ela fa nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso izy ireo, taorian’izay. Vokany, […]
Vokatry ny ora-nikija: Zaza telo maty nirodanan’ny trano
Tra-doza vokatry ny rotsakorana diso tafahoatra ny fianakaviana iray tao Ambohimarina, Andramasina. Telo mianadahy maty nianjeran’ny trano, telo hafa avotra soa aman-tsara, ny 27 janoary lasa teo. Ankizy telo mianadahy (14 sy 9 ary 4 taona) niara-maty nirodanan’ ny trano biriky misy rihana iray tany Tsibeomby, fokontany Ambohimarina, distrikan’Andramasina, ny […]
Kolontsaina sy zavakanto: Mbola vitsy ireo sahy mamatsy tetikasa
Hatramin’izao, mbola ny tontolon’ny hira ihany no mahita hirika. Manome na mampiasa vola hanatanterahina ny famerenan-kira sy ny fiakarana an-tsehatra ny mpandraharaha, rehefa avy nanao kajy fa ho voaverina ny volany. Hahazo tombony izy. Tsy ny hira irery, anefa, no zavakanto. Anisan’ny manana tetikasa goavam-be, ohatra, ry zareo mpanao tantara […]




