Mois : janvier 2026

TSELATRA

Lehilahy telo naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, taorian’ny fampanoavana teny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Tratran’ny polisy nifoka sy nivarotra rongony teny Analamahitsy ny roa tamin’izy ireo, ny alakamisy lasa teo. Nanonona lehilahy iray tompon’entana ireto farany. Nosamborina izy rehetra, ary izao naiditra am-ponja izao. Hita omaly maraina, tany […]

Nilatsaham-potaka: Raim-pianakaviana 65 taona namoy ny ainy

Lehilahy iray, 65 taona, maty nilatsaham-potaka teny an-tampon-tanety, tany Ampa­rihibe, kaominina Ambatoma­noina, distrika Anjozorobe, afakomaly, tamin’ny 2 ora to­lakandro. Mpandalo no nahita olona nitsirara teo amin’ny arabe ka nampandre ny sefo fokontany sy ny mponina tany an-toerana. Vory lanona ny fo­konolona, tonga teny an-toerana ihany koa ny havan’ny niharam-boina. Olona […]

Toamasina II : Jiolahy efatra lavon’ ny balan’ny polisy

Manao ranolava ny asan-jiolahy ao Toamasina. Jiolahy mi­isa efatra indray niara-maty, lavon’ny balan’ny polisy, tany an-toerana, omaly alina. Nitondra anarana “Bandes de 6” ireo olon-dratsy ireo. Nikasa hanafika mpandraharaha iray ao Anta­nan­dava Toamasina II, ny andian-dehilahy miisa enina, nirongo fi­taovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy lava “fusil à pom­pe”. Nampandre […]

Asa fosika any Canada sy Suisse : Mpisoloky efatra voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy ny mpisoloky miisa efatra, ny faran’ny herinandro teo. Milaza ho mahita asa any Canada sy Suisse izy ireo. Teratany pakistanais ny iray izay mivarotra pasipaoro sandoka 6 000 hatramin’ny 8 000 dolara. Manoloana ny firongatry ny fisolokiana mifandraika amin’ny famarinan’olona, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny eo […]

Hiragasy goavam-be : Samy sangany no nifanandrina

Tarika Ramaroson Soa­nie­ranabe nifanandrina ta­min’ny tarika RaEmilison Tsi­makalagy avy any Arivoni­ma­mo. Nifandanja ny anda­niny sy ny ankilany. Izay no nahitan’ireo mpijery ilay adin-kiragasy, tetsy amin’ny Kianja RaPetit Ampefiloha, omaly. Samy nitondra sy naneho ilay nahafantaran’ny olona azy hatramin’izay ny tarika tsirairay. Samy nahatazona ny fi­fantohan’ny mpijery ihany koa. Tarika RaEmilison, […]