Mois : janvier 2026

VAOVAO TAMBATRA

Manan-danja ny fizahantany noho izy mifandray amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, asa ta­nana ary kolontsaina izay mampidi-bola sy manome asa maro samihafa ny malagasy. Sehatra stratejika izy ary laharam-pahamehana amin’ny fampandrosona ny firenana indrindra amin’ny fampahafantarana ny hakanton’ny Nosy malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nifantoka tamin’ny fandrosoan’ny tetikasa Volobe, […]

Fanaingana ara-toekarena: Mandeha ny dinika any amin’ny faritra

Mitohy any amin’ny faritra ny dinika ho fanaingana ny toekarena, taorian’ny fanombohana teny amin’ny CCI Ivato, ny alatsinainy 19 janoary teo. Dinika iarahan’ny fanja­kana, ny sehatra tsy miankina, ny tantsaha mpamokatra, ny mpandraharaha ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika. Tanjona ny hamaritana ireo rojom-pihariana stratejika, ny hamantarana sy hamakafakana ny […]

Seranan-tsambo : Vita ny 60% ny asa ao Toamasina

Nitsidika ny seranan-tsambon’i Toamasina ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël nandritra ny dia nataony tany an-toerana, ny sabotsy teo. Man­droso ny asa sy ny fanitarana ny seranan-tsambo. Anke­hi­triny, manodidina ny 60% ny asa no efa vita. Nilaza ihany koa ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara fa “manohana […]

Fampananana asa : Asa 5 000 ho an’ny tanora ao anatin’ny roa taona

Hamorona asa mendrika ao amin’ny faritra atsinanana mandritra ny roa taona ilay tetikasa “asa 5 000 ho an’ny tanora”. Fandaharanasa tarihan’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Fanamby goavan’ny fanjakana ny fampanan’asa ny tanora ho antoky ny fampandrosoana ny firenena. Antony indrindra nametrahana ny tetikasa […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mahazatra ny sasany ny ady amin’ny tsimatimanota, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. « Tsy midika ho valifaty politika izany. Tanjona ny hahafahan’ny vahoaka misi­traka marina ny harem-pireneny fa tsy famoretana na fanenjehana olona tsy an-drariny », hoy izy tetsy Anosy ny zoma teo. Lohalaharana amin’ny fanampian’i Frantsa ny […]